♦ Hotokanana amin'ny zoma 06 novambra ho avy izao ny asa fanarenana ny rovan'i Manjakamiadana... ♦ Hametraka toby famokarana herinaratra mandeha amin'ny masoandro hanana tanjaka 11 megawatt ao Antananarivo renivohitra ny orinasa JIRAMA... ♦ Naneho ny alahelony sy ny hatairany noho ilay asa fampihorohoroana nitranga tany Vienne any Autriche izay nahafatesan'olona miisa 04 fara-fahakeliny ary nandratra olona miisa 14 hafa ny papa François omaly...
Alarobia 04 nôvambra 2020 — Herinandro faha-31 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 14, 25-33 — Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika.
♦ Mahafehy tsara ny teny sinoa ny tanora malagasy... ♦ Fampandrosoana ny eny ambanivohitra, nosantarina tamin'ny fomba ofisialy teny amin'ny Hotel Carlton ny tetik'asa Fandroso... ♦ Fifidianana filoham-panjakàna any Etazonia, Donald Trump sa Joe Biden no hibata ny fandresena...
♦ Ben'ny tanàna miisa 05 indray no voahongana tamin'ny toerany taorian'ny fandinihan'ny filankevim-panjakana ny antontantaratasy fitoriana miisa 311, ny zoma lasa teo... ♦ Nilaza ny ho vonona hiaro ny hevitry ny vahoaka any amin'ny faritra Vatovavy Fitovinany ny solombavambahoaka charlot Mamihaja... ♦ voafidy fanintelony ho filoha Ivoariana ingahy Alassane Ouatara,..
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco