Sabotsy 26 desambra 2020 — Masindahy Étienne, martiry — Hisaorana anie Ilay avy amin’ny Anaran’ny Tompo ; ny Tompo Andriamanitra Mpanazava antsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 17-22
Arahanao amin'ny rakitsary eto ny firarian-tsoa avy amin'i Mgr Désiré Tsarahazana. "Raha tiantsika ny ho sambatra, dia tsy maintsy mampanjaka ny marina isika", hoy i Mgr Désiré Tsarahazana tamin’ny firarian-tsoa nataony ho an'ny Malagasy amin’izao Noely izao. Tia antsika rehetra tsy an-kanavaka Andriamanitra, noho izany dia tokony hifanaja sy hanampy ary hiaro ireo marefo indrindra.
Arahanao amin'ny rakitsary eto ny firarian-tsoa avy amin'i Mgr Paolo Rocco Gualtieri. Nanolotra firarian-tsoa ho an’ny vahoaka Malagasy i Mgr Paolo Rocco Gualtieri, Solotenan’ny Ray masina eto Madagasikara, amin’izao Noely izao.
Simba ny tontolo iaina, ndao hiray hina hanambatra ny hery hamerina ny fihavanana. hasehontsika ny fitiavan-tanindrazana amin'ny alalan'ny fihetsika ataontsika isan'andro, satria i Madagasikara dia tsy LOVA navelan'ny razana ho antsika fotsiny fa indramintsika amin'ny taranaka aza, mba hirehareha ny taranaka hoe "mandova tsara"...
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco