♦ Nodoran'ny fokonolona, tsy faly tamin'ny tifitra nataon'ny zandary, ka nahafaty lehilahy iray tao amin'ny Kaominina Antanetibe Anativolo, Distrikan'Anjozorobe ato amin'ny Faritra Analamanga, ny biraon'ny zandary tany an-toerana... ♦ Toherin'ny mpianatra monina eny amin'ny Cité Ravitoto ny fikasana hanangana toeram-pitsaboana CSB2, tsy lavitra ny faritra misy azy ireo. Nanao hetsika nanehoana izany izy ireo omaly ary mbola nitohy tamin'ity androany ity...
Dingam-piainana ho lalovan'ny ray sy reny ny ho zokiolona, voajanahary izany. Manana ny anjara toerany ny zokiolona ka isan'ny ireny : Manamora ny hanorenantsika ny ho avy. Mitahiry ny fahalalana toa ny soatoavina, ny finoana ny ray aman-dreny, manana andraikitra hananatra sy hizara fitiavana ihany koa. Manan-jo hisitraka fitiavana sy valim-babena ny ray aman-dreny, indrindra amin'ny fahanterany, mety ho latsakemboka na fananganana lalam-pihariana kely ahafahany miaina am-pilaminana.
♦ Hajoro eto amintsika manomboka izao ny antokon-draharaha hisahana ny fanagiazana ireo fananana azo avy amin'ny tsy rariny. Nitondra fanazavana momba izany ny Praiminisitra, androany... ♦ Feno 60 taona katroka androany, ny Polisim-pirenena. Hiroso amin'ny fanovan-drafitra koa ity sampana mitandro ny filaminana ity, manoloana ny ambana misy ankehitriny...
♦ Mifarimbona mamerenana amin'ny laoniny ny fandriampahalemana eto Antananarivo sy ny manodidina ny zandarimariam-pirenena sy ny Polisim-pirenena ary ny tafika... ♦ Efa voarotsaka ao amin'ny Banky Foiben'i Madagasikara ilay 332 000 000 Dolara famatsiam-bola tsy averina avy amin'ny FMI... ♦ Ministeran'ny harena ankibon'ny tany sy ny loharanon-karena stratejika : Tsy misy idiran'izy ireo ny fanakatonana ny orinasa APC any Andriamena...
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco