• Voarohirohy amin'ny raharaha 11 miliara nalaina tao amin'ny CNaPS, ny Ben'ny Tananan'Antananarivo amperin'asa. Notazonina sy atao andrimaso eny amin'ny BIANCO Ramatoa Harilala Ramanantsoa... • Mila vahana haingana ny olana eo anivon'ny JIRAMA, izay mahatonga ny mpiasa manao fitokonana ankehitriny. Ny olan'ny famatsiana jiro sy rano mantsy no niteraka ny savorovoro teto amin'ny firenana ka niafara tamin'ny fionganan'ny fitondrana teo aloha... • Manana anjara toerana lehibe amin'ny fampandrosoana ny firenena ny sehatra tsy miankina, hoy ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, ny Dokotera Ramiarison Herinjatovo...
♦ Miankina amin'ny fivoaran'ny fikaonan-doham-pirenena no afahan'ny CENI manolotra soso-kevitra ho an'ny tetiandrom-pifidianana hoy ny filohan'ny CENI... ♦ Atao andrimaso eny anivon'ny birao mahaleontena miady amin'ny kolikoly (BIANCO) taorian'ny naha voasambotra azy tany Toamasina Ramatoa Rinah Rakotomanga... ♦ Miroso amin'ny fandiovana ireo lakan-drano ao Antananarivo renivohitra mandritra ny 20 andro, hisorohana ny fiakaran'ny rano ny APIPA... ♦ Hitsidika ny Oniversite Paontifikalin'i Latran, amin'ny zoma ho avy izao, i Papa Léon-XIV...
Ny sakafo no zava-dehibe indrindra ho an'ny fahasalaman'ny zokiolona. Ny torimaso mitana anjara andraikitra betsaka ho an'ny fahasalamana ihany koa. Ny fanaovana fanatanjahantena dia singa fahatelo entina mikajy ny fahasalamana, ho an'ny zokiolona, indrindra izay afahana manetsika ny vanin-taolana. Ny fampiasana saina ihany koa dia ilaina mba hitahirizana ny fitadidiana, manampy ireny ny fanadiovana ny vatana... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
♦ Maty antoka hatrany amin'ny 20 miliara Ariary ny Orinasa JIRAMA mandritra ny hetsika sôsialy sy ny fanakatonana ankeriny ny masoivoho ataon'ny mpiasa hoy ny Ministry ny angovo sy ny akoran'afo... ♦ Tsy afa-miala amin'ireo mpamatsy vola mahazatra isika noho izy ireo mamatsy ny fandaharan'asa anatin'ny FEC sy ny FRD hoy ny Praiministra Herintsalama Rajaonarivelo... ♦ Nitombo ny herisetra sy ny fandrahonana amin'ny tompon-tany ara-dalàna ao amin'ny Distrikan'Ambatondrazaka nanomboka ny taona 2023, manjaka any an-toerana ny fibodoana tany ataonà andian'olona...
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco