♦ Nigadona eto Madagasikara alina ny kabeson'ny Ampanjaka Toeran'i Menabe sy ireo miaramila roalahy niaraka taminy. Hisy ny hetsika fanomezam-boninahitra eto Antananarivo anio... ♦ Hahazo "Bourse Professionnelle" isam-bolana ireo mpilalaon'ny Barea mandram-pahatongan'ny CHAN 2027. Noraisin'ny filoham-pirenena teny amin'ny Lapa-panjakàna Iavoloha izy ireo sy ny fianakaviany avy omaly... ♦ Ahiana ho dibo-drano Antananarivo renivohitra amin'ny fotoam-pahavaratra noho ny fanotofana ny lemak'i Laniera. Titra 42 no azon'orinasa sy olon-tsotra eny an-toerana hoy ny solombavambahoaka Mamy Rabenirina...

Andriamanitra no mpahary, manana adidy hiahy sy hamelona ary hamonjy ny olombelona izay nohariany Izy. Lavo noho ny tsy fihainoana ny tenin'Andriamanitra ny olombelona satria nandika ilay fandraràna (Voankazo voarara). Samy tompon'andraikitra i Adama sy Eva tamin'ny tsy fihainoana ny tenin'Andriamanitra ; isika kristianina ankehitriny raha mitazana fotsiny ny loza mety hahazo ny ralahintsika sy ny namantsika dia meloka... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

• Hahazo “bourse professionnelle” isam-bolana ny mpilalaon'ny Barea, mandram-pahatongan'ny CHAN 2027, raha ny nambaran'ny Filoha Andry Rajoelina androany, raha nandray ny Barea teny amin'ny Lapan'Iavoloha... • Ahiana ho dibo-drano Antananarivo Renivohitra rehefa fotoam-pahavaratra, hihena ihany koa ny voka-bary noho ny fanotofana ny lemak'i Laniera... • Amin'izao herinandro mialoha ny fidirana izao ny ray aman-dreny vao mihazakazaka mampiditra mpianatra eny anivon'ireny sekoly tsy miankina ireny...

Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...