01 jolay — Teraka tao Homécourt tao Marnes i Masindahy Thierry, ary maty tao Reims ny taona 533. Zanaka tompomenakely sady jiolahy mpandroba an-dalambe antsoina hoe Marcard izy. Tamin’ny andro nanaovana ny mariaziny no nahatsapany ny fiantsoan’Andriamanitra azy mba hiroso amin’ny fiainan’ny mpitoka-monina.

Ny fiaraha-monina dia fitambaran'ny olombelona mifandray ao anatin'ny rafitra voarindra, misy fitsipika fototra mampiray. Ny fiaraha-monina dia maharitra eo amin'ny  fotoana, lova sy handraisana talenta. Ilaina fahafoizan-tena ny fiarovana ny fiaraha-monina mba hanana ny soa iombonana. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Zoma 1 jolay 2022 — Herinandro fahatelo ambin'ny folo mandavantaona — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy — Evanjely Masina nosortan'i Masindahy Matio 9, 9-13

♦ Lavin'ireo tompon'orinasa mpikojakoja lalana, manan-trosa amin'ny fanjakna, ny filazana azy ireo ho tsy nahavita ara-dalana ny asa tamin'ny taona 2019. Nilaza ny hanoratra amin'ny mpamatsy vola iraisam-pirenena izy ireo, manoloana ny tsy nandoavan'ny fanjakana ny volany... ♦ Mety ho efa ato ho ato ny fiakaran'ny vidin-tsolika eto Madagasikara. Noferana ho 25 litatra ny fahafahana mividy solika amin'ny bidon, eny amin'ny toby fitsinjarana solika... ♦ Voaheloka higadra an-tranomaizina enim-bolana i Ninie Donia, noho ilay raharaha fiarovany ny vahoaka noho ny ady tany, tany Nosy-Be...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...