Zoma 1 jolay 2022 — Herinandro fahatelo ambin'ny folo mandavantaona — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy — Evanjely Masina nosortan'i Masindahy Matio 9, 9-13

Ry kristianina havana ! Mahasahana lafiny maro ny fitiavan’Andriamanitra antsika. Endrika iray hisehoan’ny antso amintsika ity niseho tamin’i Matio ity. Teo am-perin’asa no niantsoan’i Jesoa an’i Matio : "Andeha hanaraka Ahy ianao !". I Matio izay nantsoin’i Jesoa hanaraka azy dia poblikana na mpamory hetra, mpanota, ary tsy hoe mpiara-miasa akaiky amin’ny Rômanina fotsiny izy fa mbola afaka ihany koa nanangon-karena ho azy manokana amin’ny alalan’ny risoriso. Ny akon’izany dia halan’ny olona i Matio teo amin’ny fiaraha-monina nisy azy. Ny olona anefa no mankahala azy, fa i Jesoa kosa tia azy. Mampandinika sy mampieritrerita antsika izany. Andriamanitra manko dia mahalala ny zavatra rehetra amin’ny maha mahefa ny zavatra rehetra Azy, koa tsy misy miafina Aminy ny fiainantsika manontolo, na ny lasa, na ny endriny ankehitriny, na ny ho avintsika. Noho izany, ankoatra ny fahafantarany an’i Matio, toy ny ahalalan’ny olona azy ho mpanota dia efa tsinjon’i Jesoa koa ny ho aviny, ny tena maha izy azy dia ny ho apôstôly, ho anisan’ireo hiara-miaina Aminy sy ho irany ka hijoro ho vavolombelony amin’ny olona rehetra.

Tsikaritsika amin’izany àry, fa tsy mba voafetran’ny endrika ivelany ny fijerin’Andriamanitra, koa tsy tokony ho kivy isika raha mijery ny fiainantsika. Aoka ho fankaherezana ho antsika sy ho fampianarana ho antsika ny "fihetsik’i Jesoa" androany, izay hamafisiny amin’ny "teniny" hoe : "Ny famindram-po no sitrako fa tsy ny sorona ; tsy tonga hiantso ny marina Aho fa ny mpanota".

Izao anefa, mba hahatonga antsika ho tena mpanara-dia an’i Jesoa tokoa, dia tokony tsy ho hadinointsika fa ny kristianina, izany hoe isika rehetra izay mivondrona ao amin’ny Fiangonana dia mpanota avokoa fa tsy hoe olona tonga lafatra, koa noho izany dia mila ny famindrampon’Andriamanitra mandrakariva isika hanasitrana ny aretim-panahintsika ; mila mpitsabo tsy tapaka isika hizaha ny toe-pahasalamantsika sy hanoro antsika ny fanafody tena mahasitrana marina. Fa io Fiangonana io ihany koa anefa no toy ny toeram-pitsaboana manana ny mpitsabo tena mahay sy azo antoka amin’izany aretina izany, tsy iza io mpitsabo io fa i Jesoa Kristy ilay lohany.

Manaraka izany dia tsy maintsy misy fandaozana an-tsitrapo ny fiainana mahazatra ny fanarahana an’i Kristy. I Matio dia nandao ny asany sy ny hareny mba hanaraka an’i Jesoa Kristy. Isika tsirairay avy koa araka ny antso miantefa amintsika no mahita izay zavatra na endrim-piainana tokony hizorantsika an-tsitrapo mba hahamari-pototra tanteraka ny maha kristianina antsika sy mba hananantsika ny tena fiadanana marina, ary tsy maintsy mahafoy ny zavatra rehetra isika raha tena vonona hanaraka an’i Kristy.

Ry Jesoa Tomponay ô ! Misaotra amin’ny fitiavanao anay ; ny fitiavanao izay tsy mikendry afa-tsy ny hanananay ny fiainana maha zanak’Andriamanitra anay. Koa enga anie izahay tsy hanentsi-tadiny amin’ny antsonao. Amen !

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 nôvambra 2024

  • Samy nanana ny nanamarihana ny Andro maneratan-tany ho an'ny Tanora ny isan-diôsezy, ny isan-distrika ary ny isam-paroasy, omaly Alahadin'i Kristy Mpanjaka...
  • Manao ezaka ho fanatsararana ny kalitaon'ny fanabeazana omena ireo zanaky ny Fiangonana manovo fanabeazana eny amin'ny Sekoly Katôlika ny eto Mdagasikara sy ny any amin'ny Diôsezy. Isan'izany ny eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Mitoetra ao amin'ny teny marina sy mandaitra ny fahefana maha Mpanjaka an'i Jesoa, hoy ny Papa François tamin'ny fampianarana nataony talohan'ny vavaka Angelus, ny alahady 24 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...