Mibaribary toa ny tafika an-drefan-tanàna ankehitriny ny anjara toerana sy ny andraikitry ny vehivavy tantsaha amin'ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra, izy ireo izay mandray anjara amin'ny fiantohana ara-tsakafo sy ny fampihenana ny fahantrana. Misehatra amin'ny asa famokarana sakafo mantsy ny vehivavyary isan'ny miantoka ny sakafo jifain'ny fiaraha-monina misy azy...

• Nanaitra ny maro tao Toamasina androany vao maraimbe, ny firehetrana nitranga tao amin'ny Anjavidy Androranga... • Mety manaitra kanefa tsy zava-baovao ny fisian'ny ambana amin'ny fifidianana. Efa mijery akaiky ny fisorohana izany ny CENI... • Tsy nanafina ny fahafahampony tamin'ny dingana nataon'ireo mpilalao, ny mpanazatra ny Barean'i Madagasikara, Corentin Martins, tao aorian'ny fandresena 2 no ho tsy misy nanoloana an'i Centrafrique omaly...

Maro ireo vokatsoa azo avy amin’ny saina tia karokaroka, saina liam-baovao na ny “curiosité”. Anisan’ny ampinga iray manampy ny olona iray izany mba hitombony, amin’ny maha-olona azy, hampihitatra ny fahaizany eo amin’ny sehatry ny fianarana, ny asa, ny fiaraha-monina, ny fikarohana, ny tontolo iainana ary ny fiainana ara-panahy sy ny fomba fisainana. Noho izany dia fitaovana manan-danja izy eo amin’ny maha-olona ary misy ny fitaizana sy fikolokolona azy mba ampivelatra sy ampiasaina azy tsara... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

• Mitana ny laharana faharoa ao amin'ny Vondrona I misy azy ny Barea an'i Madagasikara izay manana isa 13, tao aorian'ny andro faha-7 amin'ny fifanitsanana andehanana any amin'ny fiadiana ny tompondaka eran-tany 2026, eo amin'ny taranja baolina kitra... • Ahiana ho very zo ireo mpifidy any amin'ireo Kaominina sasantsasany eto Madagasikara raha toa ka eken'ny Governemanta ny datin'ny 11 desambra 2025, hanatanterahana ny fifidianana Loholona... • Nametraka lamina vaovao ny Polisim-pirenen avy ao amin'ny Kaomisaria Foibe Antananarivo, mba entina mandrindra ny fifamoivoizana eny amin'ny lalam-baovao mampitohy ny rond-point Made Inox Ankasina sy ny Kianja Maki Andohatapenaka...

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...