• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Manohana ny hetsika ataon’ireo fikambanan’ny tantsaha eny anivon’ny faritra hiatrika ny fampanjarian-tsakafo ny tambazotran’ny Sendikan’ny Orina Ambanivohitra na ny Réseau SOA. Amin’ny alalan’ny tetik’asa, “Hetsika ataon’ny fikambanan’ny tantsaha manohana ny mpikambana ao aminy ho lasa matihanina kokoa”, no anatanterahana izany.

• Nanao hetsika an-dalambe, niainga teny Andrefan'Ambohijanahary nihazo ny Lapa Maitso eny Anosikely, ny Mpanolotsain'ny Tananan'Antananarivo Renivohitra sasany, manoloana ny fisian'ny “délestage” manerana ny nosy... • Antenaina fa hivaha ny olan'ny famatsiana herinaratra ho an'Antananarivo sy ny manodidina atsy ho atsy, rehefa vita avokoa ireo tetikasa samihafa fananganana “parc solaire”, ahazoana herinaratra avy amin'ny masoandro... • Hanamafy ny fiarovana ny ankizy tsy ampy taona, manoloana ny firongatry ny fanararaotana mamoafady sy ny famarinana ankizy ny tetikasa Mitovy, izay tanterahan'ny ECPATE France...

• Mitombo ny isan'ny mpizaha tany tonga eto Madagasikara tamin'ity taona ity, hoy ny Minisitra tompon'andraikitra. Hatao ao Maorondava ny fankalazana ofisialy ny Andro eran-tany ho an'ny Fizahan-tany, ny 27 sy 28 septambra 2025... • Nampiato vonjy maika ny fividianana katsaka eto an-toerana ireo orinasa lehibe mampiasa ny katsaka ho akora fototra, manoloana ny tsy fahampian'ny vokatra sy ny fiakaran'ny vidiny eo amin'ny tsena... • Efa niomana hatramin'ny ela amin'ny fifidianana Loholona hatao ny 11 desambra 2025 ny IRMAR, ao amin'ny Distrikan'Ambatofinandrahana, Faritra Amoron'i Mania. Tsy manana olana amin'ny mpifidy vaventy izy ireo, hoy ny Solombavam-bahoaka Razafindrabary Richard...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...