Manohana ny hetsika ataon’ireo fikambanan’ny tantsaha eny anivon’ny faritra hiatrika ny fampanjarian-tsakafo ny tambazotran’ny Sendikan’ny Orina Ambanivohitra na ny Réseau SOA. Amin’ny alalan’ny tetik’asa, “Hetsika ataon’ny fikambanan’ny tantsaha manohana ny mpikambana ao aminy ho lasa matihanina kokoa”, no anatanterahana izany.

Isan’ny ifotorana amin’ity tetik’asa ity ny fametrahana ny tanora amin’ny asa famokarana eny anivon’ny Faritra sy ny Kaominina. Voizina ihany koa ny famokarana masomboly mba ahafahana mamokatra masomboly manaraka ny lalàna sy ny fenitra misy. Tohizana ny fanohanana ny famokarana miaro ny tontolo iainana na ny “agro écologie”. Tanjona ny ialàna amin’ny fisian’ny olana ara-tsakafo manimba ny fahasalaman’ny olombelona mpanjifa no tanjona kendrena.

Eo ihany koa ny fanohanana ny fametrahana tanora amin’ny sehatr’asa famokarana nananganany tetik’asa. Jerena ihany koa ny momba ny fananan-tany, ny lalam-barotra. Ireo rehetra ireo izay fanamafisana ny sehatr’asa efa nataon’ny Réseau SOA hatramin’izay. Efa an-taonany maro ity vovonana nasionaly ity no nivohy an’izany.

Mandritra ny roa taona moa ity tetik’asan’ny Réseau SOA, tohanan’ny GIZ ity, hifarana amin’ny taona 2026. Faritra iasana ny any Amoron’i Mania, Bongolava, Boeny ary ny eto Analamanga.

 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...