• Nivadika ho adin'andrim-panjakana ilay raharaha fanadihadiana ny Filoha Lefitry ny CENI, momba ny fivoahan'ny tolo-dalana mifehy ny fifidianana. Miantso fifampiresahana ny KMF/Cnoe, manoloana ity raharaha ity... • Miantso ireo parlementera ny Randrana Sendikaly, hanery ny fitondrana mpanatanteraka, hitady vahaolana amin'ny delestazy... • Maro loatra ireo fitarainana momba ny fandraisana mpiasam-panjakana ho an'ireo niofana tamin'ny CRINPF. Nanaotra ny hijerena izany ny Vaomiera miady amin'ny kolikoly eny anivon'ny Antenimieram-pirenena...
♦ Nanambara ny filohan'ny Antenimieran-doholona, ny jeneraly Ravalomanana Richard fa tsy nitory ny filoha lefitra voalohan'ny CENI Andoniaina Andriamalazaray. ; azo amarinina izany hoy izy... ♦ Nitondra valin-kafatra momba ny fitakian'ny olom-boafidy sasany hanalàna amin'ny maha ministra mpiahy ao amin'ny Faritra Boeny azy ny Ministry ny tanora sy ny fanatanjahan-tena Maroson Moustapha Abdulah. Nanotrona azy koa ny solombavambahoaka Rahantaniriana Lalao... ♦ Hotohizana ny famatsiana solika tahiry ho an'ny orinasa JIRAMA, araka ny tapaka nandritra ny filan-kevitry ny ministra, ho fiantohana ny famatsiana herinaratra an'Antananarivo...
♦ Nomelohan'ny CENI ny fitoriana nataon'ny filohan'ny Antenimieran-doholona ho an'ny filoha lefitry ny CENI Ando Andriamalazaray. Namoaka fanambarana momba izany ny Birao Maharitra notarihin'ny filohany... ♦ Nifarana ny fitsidihana ara-panjakàna nataon'ny filohan'i Slovenie teto Madagasikara. Niara-nitokana Sekoly vaovao teny Bemasoandro toby Ankamasoa, ny tenany sy ny filoha Malagasy omaly... ♦ Naneho fiombonana sy firaisan-kina amin'izao fankalazana ny fetim-pirenena izao tamin'ny alalan'ny diaben'ny fahaleovan-tena ireo departemanta isan-tokony eo anivon'ny Fanjakàna Malagasy...
05 jona — I Masindahy Boniface resahana eto dia ilay arseveka tao Mayence, maty martiry tamin’ny 754. Teraka tao Crediton tao Angletera tamin’ny 680 i Masindahy Boniface fa mbola Winfrid moa no anarany tamin’izany. Nisy aretina nahery vaika nahazo azy tamin’izany fotoana izany. Izy anefa efa naniry handeha hiditra hitoka-monina fa tsy navelan’ny ray aman-dreniny.
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco