♦ Nomelohan'ny CENI ny fitoriana nataon'ny filohan'ny Antenimieran-doholona ho an'ny filoha lefitry ny CENI Ando Andriamalazaray. Namoaka fanambarana momba izany ny Birao Maharitra notarihin'ny filohany... ♦ Nifarana ny fitsidihana ara-panjakàna nataon'ny filohan'i Slovenie teto Madagasikara. Niara-nitokana Sekoly vaovao teny Bemasoandro toby Ankamasoa, ny tenany sy ny filoha Malagasy omaly... ♦ Naneho fiombonana sy firaisan-kina amin'izao fankalazana ny fetim-pirenena izao tamin'ny alalan'ny diaben'ny fahaleovan-tena ireo departemanta isan-tokony eo anivon'ny Fanjakàna Malagasy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 jolay 2026

• Nodimandry androany teo amin'ny faha-98 taonany, i Mgr Raymond Razakarivony, Eveka emeritan'ny Diosezin'i Miarinarivo... • Manoloana izao zava-misy eto Madagasikara izao, dia ny fahaverezan'olona sy ny fahafatesan'olona, dia misy ny fanambarana sy ny fanentanana ary ny hafatra avy amin'ny Finvondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... • Asehon'i Kristy ny fahalalahan-tananan'Andriamanitra mpamafy ny teny. Navoitran'ny Papa io nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...