Vahinin'i Papa François tao VAtican, omaly alatsinainy, ny praiminisitra slovaque Peter Pellegrini. Isan'ny nivoitra tamin'io fihaonana io ny fanasan'andriamatoa Pellegrini an'i Papa hivahiny any Slovaquie.
Nitsidika ilay fampirantiana momba ny Tranonomby, tanterahina tsy lavitra an'i Vatican, i Papa François, ny tolakandron'ny alatsinainy teo.
Notendren'i Papa François ho préfet-n'ny kongregasiona misahana ny fanelezana ny Vaovao Mahafaly, ny alahady 8 desambra teo, ny Kardinaly Luis Antonio Tagle.
Tsy azo sarahana ny tambazotra eo amin'ny fiainan-tokantrano sy ny fiainam-pirenena satria ny ao amin'ny tokatrano no fiaingan'izany voalohany, koa Zo ny maha olom-pirenena ary mitaky adidy tsy hifampizaranao amin'ny olon-kafa. (04-12-2019)
• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco