♦ Vinavinaina hivoaka mialohan'ny faran'ny herinandro izao ny vokam-panadinana CEPE, hivoaka amin'ny pejy facebook an'ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena ireo Distrika mamoaka ny vokam-panadinana... ♦ Nanaovana tatitra any amin'ny ministeran'ny Atitany, ny Bianco sy ny Ceni, momba ny fanitsakitsahana ny voalazan'ny lalàna amin'ny tsy tokony handraisany anjara amin'ny resaka politika ny lehiben'ny distrika ao Mahajanga-II... ♦ Vonona ny hanao tantsoroka ireo mpandraharaha Malagasy liana te handray anjara amin'ny TICAD andiany fahasivy atao any Japon afaka roa volana ny fikambanana AEMAJA...

Ny Ray aman-dreny mandray andraikitra dia maharo ny zon'ny ankizy. Ny zo dia filàna ara-boajanahary, ny sokajin'olona tsirairay dia manana izany ary indrindra ny ankizy, mba afahany miaina malalaka sy hampivelatra azy. Mifamatotra amin'ny maha-olombelona ny zo. Misy zo fototra 10 iraisana maneran-tany :  Zo hanana ankohonana, zo hanana anarana, Zo hitafy, zo hilalao, zo hianatra, zo hotiavina... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

♦ Tao Lisieux tany Normandie-France no namaranana tamin'ny fomba ôfisialy ny fivahinianana Masina naharitra herinandro nataon'ireo Evekan'i Madagasikara... ♦ Nahafatesan'olona telo ny trangana fahapozinana ara-tsakafo niseho tany Mahajanga, olona enina mbola manaraka fitsaboana momba ny fahapozinana ara-tsakafo tao Toamasina ; etsy ankilany natsangana ny "cellule de crise" ho an'iilay tranga teto Antananarivo...♦ Tokony ireo asa tena laharam-pahamehana ho an'ny vahoaka no hampiasana ny volam-panjakàna hoy ny tolo-kevitry ny fitsarana momba ny kaonty sy ny fitsarana ara-bola nandritra ny fampahafantarana ny drafitra stratejika vaovao 2025-2030...

18 jona — Miaramila tao amin’ny tafika romanina i Léonce, ary mpitoka-monina iray no nampibebaka azy. Nozarainy tamin’ireo mahantra ny sakafon’ny tafika misy azy. Ary tsy niafina izy tamin’ny fitiavam-bavaka an’i Kristy, sy nanameloka ny fivavahana amin’ny sampy.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...