Olon'ny fihavanana sy mpanasoa ny mpiara-belona i Mgr Philippe Ranaivomanana. Tia sy nahay nifandray aman'olona izy. Laharam-pahamehana ho azy ny fampivelarana ny talentan'ny hafa. Toetra nanahafany an'i Jesoa Kristy ilay narahiny ireo, izay nahafoy ny ainy mba hanavotra ny olombelona. Fahatsiarovana an'i Mgr Philippe Ranaivomanana, Evekan'Antsirabe, nodimandry ny 06 septambra 2022.

10 septambra — Teraka tao Avrenche i Aubert zanak’olona fanta-daza tao izy io. Rehefa nozarainy tamin’ny mahantra sy ny relijiozy ny lovany dia nandray ny sakramentan’ny filaharana izy ary voafidy ho eveka faha-12 fantatra anarana tao Avranches.

♦ Tanora dimy ambin'ny folo mirahalahy no nanonona ny voady voalohany ho an'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco, ny alakamisy 8 septambra 2022... ♦ Tontosa ny 8 septambra 2022 tolakandro ny Eokaristia Masina, fanaovam-beloma farany an'i Mgr Philippe Ranaivomanana, Evekan'Antsirabe...

09 septambra — Teraka ny 26 jiona 1580 tao Verdú akaikin’i Alarida Espagne i Pierre Claver ary nodimandry ny 08 septambra 1654 tao Carthagène des Indes, Colombie. Marani-tsaina i Pierre Claver, nanao ny fianarany tao amin’ny zezoita izy talohan’ny faharoapolo taonany izay fotoana nidirany ny noviciat an’io fiakambanana io ihany tao Tarragone ny taona 1602.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...