Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany 49, 3. 5-6

Hatsangako ho Fahazavan’ny firenena ianao, mba hitaran’ny famonjeko.

Tamin’izany andro izany, hoy ny Tompo tamiko:

“Mpanompoko ianao, ry Israely,
izay hataoko reharehako”.

Ary ankehitriny miteny ny Tompo,
Izay namorona ahy hatrany am-bohòka mba ho mpanompony,
hampody an’i Jakôba aminy indray,
ary mba ho tafakambana aminy indray i Israely.
— Ary mahazo voninahitra eo imason’ny Tompo aho,
ary Andriamanitro no heriko.
— Hoy Izy:

“Mbola zavatra kely foana ny maha-mpanompoko anao,
hanangana ny firenen’i Jakôba indray,
sy hampody ireo sisa voatahiry amin’i Israely;
fa hatsangako ho fahazavan’ny firenena ianao,
mba hitaran’ny famonjeko hatramin’ny faran’ny tany.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 39, 2 sy 4ab. 7-8a. 8b-9. 10

Inty aho tamy, Tompo, mba hanao ny sitrakao.

Niandry ny Tompo aho ka niandry,
niondrika Izy, nihaino talaho,
hira vao no nataony teo am-bavako,
fiderana an’ilay Tompontsika.

Tsy sitrakao ny sorona sy ny fanatitra:
ny sofiko manko nosokafanao.
Tsy misy ilainao mihitsy
izay sorona dorana sy fanonerana;

ka hoy aho hoe: Inty aho tamy.
Voasoratra ao amin’ny boky ny momba ahy:
ny manao ny sitrakao no mamiko;
ny lalànao, ry Tompo,
no ato am-poko.

Ny fahamarinanao, ry Tompo,
notorîko tamin’ny fiangonana;
ny molotro tsy nakomboko:
fantatrao tsara izany.

Vakiteny faharoa

Fiantombohan’ny taratasin’i Md Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty 1, 1-3

Ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo.

Izaho Paoly
voaantso ho Apôstôlin’i Jesoa Kristy
noho ny sitrapon’Andriamanitra,
sy i Sôstena rahalahy,
dia mamangy ny Eglizin’Andriamanitra any Kôrinty,
dia ireo mpino nohamasinina ao amin’i Jesoa Kristy,
olona voaantso sady masina mbamin’izay rehetra
miantso ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika,
na aiza na aiza misy azy:
ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana
avy amin’Andriamanitra Raintsika,
sy i Jesoa Kristy Tompo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Tonga Nofo ny Teny, ka nonina taty amintsika,
ary amin’ny alalany, dia tonga zanak’Andriamanitra izay rehetra mandray Azy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany 1, 29-34

Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manala ny fahotan’ny olona.

Tamin’izany andro izany,
dia nahita an’i Jesoa nanatona azy i Joany
ka nanao hoe:

“Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra,
indro Ilay manala ny fahotan’ny olona.
Izy no ilay nantsoiko hoe:

Misy lehilahy avy ao aoriako,
sy efa tonga eo alohako,
satria talohako Izy.
Ary izaho tsy nahalala Azy;
fa mba hampisehoana Azy amin’i Israely
no nahatongavako manao batemy amin’ny rano”.

Ary nilaza marina i Joany nanao hoe:

“Efa hitako ny Fanahy Masina
nidina avy any an-danitra toy ny voromahailala,
ka nitoetra teo amboniny.
Ary izaho tsy nahalala Azy,
fa Izay naniraka ahy hanao batemy amin’ny rano
no nilaza tamiko hoe:

‘Izay hitanao hidinan’ny Fanahy Masina’.

Ary nahita aho ka milaza marina
fa Izy no Zanak’Andriamanitra”.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio 4, 12-16

Aoka isika hanatona ny fiketrahan’ny fahasoavana amim-pahatokiana.

Ry kristianina havana,
velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra,
ka maranitra noho ny sabatra roa lela,
maninteraka ny fiavahan’ny aina sy ny fanahy,
ary ny famavàny sy ny tsoka aza;
fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo.
Tsy misy zava-boaary miafina eo anatrehan’Andriamanitra,
fa mihanjahanja sy miharihary
eo imason’Izy hampamoaka antsika ny zavatra rehetra.
Koa noho isika manana Mpisorona lehibe
izay lasa namaky ny lanitra,
dia i Jesoa Zanak’Andriamanitra,
dia aoka hotanantsika mafy ny finoana efa nekentsika.
Satria tsy Mpisorombe tsy mahalala mangoraka
ny fahalementsika no antsika;
fa efa nalaim-panahy tahaka antsika
tamin’ny zavatra rehetra Izy, afa-tsy ny fahotana.
Koa aoka isika hanatona ny fiketrahan’ny fahasoavana amim-pahatokiana,
mba hahazoantsika famindram-po,
sy hahitantsika fahasoavana ary hamonjena antsika
amin’ny andro ilantsika izany.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 18, 8. 9. 10. 15

Ny teninao, Tompo, fanahy sy fiainana.

Ny lalàn’ny Tompo lavorary,
mamelombelona fanahy.
Ny didin’ny Tompo mahatoky,
mampahendry olon-tsotra.

Ny fitsipiky ny Tompo mahitsy,
mahafaly ny fo.
Ny baikon’ny Tompo mazava,
manilo ny maso.

Ny tahotra ny Tompo madio,
maharitra mandrakizay.
Ny fitsaran’ny Tompo fahamarinana
samy rariny avokoa.

Ho sitraka eo anoloanao anie
ny vetson’ny foko sy ny tenin’ny vavako,
ry Tompo vatolampiko,
ry ilay Mpanavotra ahy.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Aza mba hamafisina ny fonareo anio fa henoy ny feon’ny Tompo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka 2, 13-17

Tsy tonga hiantso ny marina Aho fa ny mpanota.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nivoaka ho any an-dranomasina,
ka nanatona Azy ny vahoaka rehetra,
dia nampianatra azy Izy.
Raha nandalo Izy, dia nahita an’i Levi zanak’i Alfe
nipetraka tao amin’ny fandraisana hetra,
ka nanao taminy hoe:

“Andeha hanaraka Ahy.”

Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy.
Ary raha nipetraka nihinana tao an-tranon-dralehilahy io i Jesoa,
dia nisy poblikanina sy mpanota maro
niara-nihinana tamin’Izy sy ny mpianany;
fa maro ireo, ary nanaraka Azy.
Nony nahita Azy niara-nihinana
tamin’ny poblikanina sy ny mpanota
ny mpanora-dalàna mbamin’ny Farisianina
dia nilaza tamin’ny mpianany hoe:

“Nahoana ny Mpampianatrareo
no miara-mihinana sy misotro
amin’ny poblikanina sy ny mpanota?”

Raha nahare izany i Jesoa,
dia nanao taminy hoe:

“Tsy ny finaritra no mila dokotera,
fa ny marary;
tsy tonga hiantso ny marina Aho,
fa ny mpanota.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

21 desambra — Teraka ny 8 mey 1521 tao Nimègue, Pays-Bas, i Pierre Canisius. Pierre Kanis no anarany fa antsoina koa izy hoe Canisius satria mitovy ihany ny Kanis sy ny Canisius. Jacob Kanis no rainy ary i Ægidia van Houweningen no reniny. Mpanan-karena tao an-tanana ireo ray aman-dreniny ireo. Fotoana fohy tao aorian'ny nahaterahan'i Pierre no nodimandry ny reniny.

Vakiteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio 4, 1-5. 11

Aoka isika hazoto miditra amin’ny fialan-tsasatry ny Tompo.

Ry kristianina havana,
aoka hatahotra isika,
dieny mbola manana ny teny fampanantenana
fa hiditra amin’ny fialàny sasatra,
mba tsy hisy tsy hahatratra izany aminareo
na dia iray aza.
Fa isika koa
dia nitoriana filazana mahafaly toa an’ireny,
saingy tsy nombany finoana ny teny ren’izy ireny
ka tsy nahasoa azy akory.
Fa isika izay mino kosa
dia hiditra amin’ny fialan-tsasatra,
araka ny voalazany hoe:

“Nianiana noho ny hatezerako aho
fa tsy hiditra amin’ny fialan-tsasatro izy ireo.”

Toy izany ny teniny, na dia efa vita tapitra
hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao aza ny asany.
Fa hoy Izy hoe,
amin’ny andininy anankiray any ho any
ny amin’ny andro fahafito:

“Ary Andriamanitra
niala sasatra tamin’ny asany rehetra
tamin’ny andro fahafito.”

Ary eto indray, hoy Izy:

“Tsy hiditra amin’ny fialan-tsasatro izy ireo.”

Koa aoka isika hazoto miditra
amin’izany fialan-tsasatra izany,
mba tsy hisy ho latsaka amin’ny tsy finoana
tahaka ireny koa.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 77, 3-4d. 6d-7. 9

Tsy hohadinoinareo ny asan’ny Tompo.

Izay henonay ka fantatray,
fa nolazain’ireo razana anay,
dia ny fiderana ny Tompo sy ny heriny
mbamin’ny zava-mahagaga izay vitany.

Ireo zaza vao ho teraka hitantara amin-janany koa,
ka ireto hatoky an’Andriamanitra,
tsy hanadino ny asan’ilay Mahery,
fa hitandrina kosa ny didiny.

Tsy mba hanahaka ireo razany,
izay taranaka mpikomy sy mpiodina,
tsy niraiki-tsaina tamin’Andriamanitra.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy
sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka 2, 1-12

Manam-pahefana ety an-tany hanafaka ny fahotana ny Zanak’Olona.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa dia niditra indray tao Kafarnaôma.
Nony re fa hoe tao an-trano Izy,
dia nivory betsaka dia betsaka ny olona,
ka tsy nisy hitoerana intsony
na dia hatrany anoloan’ny varavarana aza;
dia nitory teny taminy Izy.
Tamin’izay dia nisy nanatona Azy
nitondra lehilahy malemy anankiray,
izay nolanjain’olona efa-dahy.
Tsy afa-nanatona Azy anefa izy ireo
noho ny habetsahan’ny vahoaka,
ka dia ny tafon-trano nitoerany no nanesorany;
nony voasokatra,
dia nampidininy teo ny fandriana nandrian’ilay malemy.
Ary i Jesoa nony nahita ny finoan’ireo,
dia nanao tamin’ilay malemy hoe:

“Anaka, voavela ny helokao.”

Fa nisy mpanora-dalàna sasany nipetraka teo,
ka nanao anakampo hoe:

“Ahoana no itenenan’ilay ity toy izany?
Miteny ratsy an’Andriamanitra lahy Izy.
Iza no mahavela fahotana
afa-tsy Andriamanitra irery ihany?”

Fantatr’i Jesoa tao amin’ny fanahiny niaraka tamin’izay
fa nieritreritra izany tao anatiny izy ireo
ka hoy Izy taminy:

“Nahoana ianareo no mihevitra toy izany ao am-ponareo?
Inona no moramora kokoa,
ny manao amin’itý malemy ity hoe:
Voavela ny helokao, sa ny manao hoe:
Mitsangàna, batao ny fandrianao, ary mandehana?
Ary mba ho fantatrareo
fa ny Zanak’Olona manam-pahefana ety an-tany
hanafaka ny fahotana,
dia izao no lazaiko aminao, (hoy Izy tamin’ilay malemy):
Mitsangàna, batao ny fandrianao,
ary modia any an-tranonao.”

Dia nitsangana niaraka tamin’izay izy
ka nibata ny fandriany, ary lasa nody teo imason’ny olona rehetra;
hany ka talanjona izy rehetra
sady nankalaza an’Andriamanitra nanao hoe:

“Tsy mbola nahita tahaka izany izahay.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...