• Nanomboka androany hatramin'ny zoma 11 jolay 2025 ny fanadinana Bakalorea Katolika manerana ny nosy. Mpiadina maherin'ny 64.000 avy amin'ny sekoly katolika maherin'ny 300 isa no miatrika izany... • Miroso ny fanatratrana mpizahatany vahiny iray tapitrisa ho avy eto Madagasikara amin'ny taona 2028, raha ny nambaran'ny Minisitry ny Fizahantany sy ny Asa Tanana, Viviane Dewa... • Tsy mitsaha-mitotongana ny vidin'ny lavanila eto Madagasikara. 3.000 hatramin'ny 5.000 Ariary ny kilaon'ny lavanila maitso ankehitriny...

• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...

♦ Miisa 11 ireo volavolan-dalàna natolotry ny Ministeran'ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola teny anivon'ny Andrimpanjakàna mpanao Lalàna, nandritra ny fivorian'ny Parlemantera farany teo... ♦ Nisantaran'ireo mpiadina ny fanadinana bakalôrea Katôlika androany maraina ny taranja Filôzôfia... ♦ Efa nisokatra ôfisialy tamin'ny sabotsy teo teny amin'ny kianjan'ny MalaCam Antanimena ny fitsaràna miaramila ho an'ity taona 2025 ity... ♦ Mivahiny any Washington ankehitriny ny Praiministra Israeliana Beniamine Netanyahu, hihaona amin'ny filoha amerikana Donald Trump izy anio...

Nisoko mangina tsy re tsaika firy, fa zary lasa olana mitoetra efa ho herinandro mahery teo izay, ny rano mampiodina ny seha-pitaterana,  raha ny niainana teto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina.  Toa noheverin'ny maro fa.... handalo fotsiny toy ny fikoropahana mahazatra rehefa amin'ny vanim-potoanan'ny fety, ny zava-nisy nialoha ny fetim-pirenena tamin’ny 26 Jona teo.  Tsy rototra firy rahateo ny olona satria niditra an-tsehatra nanazava tamin’ny mpanao gazety, nandamin-dresaka amin'ny fahampian'ny tahirin-tsolika ny minisitra tomponandraikitra sy ny OMH.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...