Nisoko mangina tsy re tsaika firy, fa zary lasa olana mitoetra efa ho herinandro mahery teo izay, ny rano mampiodina ny seha-pitaterana,  raha ny niainana teto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina.  Toa noheverin'ny maro fa.... handalo fotsiny toy ny fikoropahana mahazatra rehefa amin'ny vanim-potoanan'ny fety, ny zava-nisy nialoha ny fetim-pirenena tamin’ny 26 Jona teo.  Tsy rototra firy rahateo ny olona satria niditra an-tsehatra nanazava tamin’ny mpanao gazety, nandamin-dresaka amin'ny fahampian'ny tahirin-tsolika ny minisitra tomponandraikitra sy ny OMH.

Nanampy trotraka, ary nanamafy ny fahasarotan'ny toe-draharaha anefa ny filaharana tamin'ny ankamaroan'ny toby mpaninjara solika teto Antananarivo sy ny manodidina, taorian’ny fetim-pirenena. Raha tapitra teny Mahamasina mantsy ny filaharana na matson’ny foloalindahy ny andron’ny 26 Jona, dia indreny fa nameno tanàna  ny filaharana izay nadikan’ny AROFANINA ho matso manamarika ny fiverenana amin'ny fiainana mahazatra andavanandro. Tsy voaisa fa......ireo fiaran'olon-tsotra, fiara fitaterana, kodiaran-droa ary olona mitondra daba mavo no mifamotoana eny amin'izay toby mpaninjara solika misy solika. Mangingina toa mijorojoro tsy mpiambina kosa ireo mpiasan’ny tobin-dasantsy, izay mbola tsy nahatonga solika amidy. Manamafy izany, fa tena tsy afa-miala amin’ny fiainam-bahoaka tokoa ny solika satria kitro ifaharan’ny fampiodinana ny toekarena malagasy. Fanazavana maha valalanina ny arofanina ihany no mitranga satria nambaran'ny ministra tomponandraikitra fa olan'ny fitaterana ny solika  no miteraka ny olana. Nampiany kely amin'ny hoe mihisatra amin'ny haratsian-dalana ny fahatongavan’ny fiarabe mpitondra solika eto an-drenivohitra dia vao mainka ny Arofanina nandrabiraby hoe: fiarabe mitsivalana saika isan'andro aza anie teo aloha... tsy nahatara ireo fiarabe mpitatitra solika teny amin'ny lalam-pirenena faharoa e!

Asa koa na endrika iray famonoana afo vetivety, fa raha eo amin'ny fahadimin'ny volana hitsahina mazàna no hiandrasana ny vidin-tsolika vaovao, dia lasa aloha kely izany tamin'ity volana Jolay ity. Nivoaka ny vidin-tsolika vaovao ary samy nahitàna fihenana ny vidin’ny gazoala, ny lasantsy ary ny solika fandrehitra, saingy......tsy nahavaha ny olan'ny tsy fahampian-tsolika anefa io fihenam-bidy nihatra io, fa GISA MAINTY ny solika amin’ny vidiny MIJOTSO. Dia sao lahy sanatria nozarina hiaina fiovàna isam-bolana ny malagasy? Rehefa nozarina sy nampiomanina  amin'ny vidin-tsolika miovaova isam-bolana  dia izao....nampiana iray hafa  indray ny olana.  Tsy sanatria misintona lakolosy akory ny AROFANINA fa tsy efa fahita isam-bolana tokoa ve teo aloha teo...fa asa na mbola mitohy hatramizao ny filaharana ifampitsinjovana mora  arahin-tosika ho an'ireo tokantrano sasany notsongaina? Dia mba natao filaharana faobe sy miatraika amin'ny maro indray izao kanefa..... aza tsiny fa filaharana tsy hitondra vokatsoa izao, fa hitondra any amin'ny halafosam-piainana vokatry ny  solika izay zary lasa GISA MAINTY.  Tsy hiandry sioka fanombohana akory mantsy fa hikoaha-maina aza atao ho an’ireo mpanararaotra, ka hampiakatra ny entana fampiasa andavanandro na ny PPN.

Mitombo isanandro ny olan'ny malagasy e! Mbola tsy tafavoaka ny ala isika satria mbola mikiakiaka anaty fahamaizinana noho ny delestazy, mbola mitaintaina anaty koa amin'ny sakafo mety hahafaty, dia izao indray...mametra-panontaniana hoe.... oviana no ho ampy solika? Iza ary no hitondra fanazavana marina sy vahaolana matotra ho an'ny malagasy? hoy ny Arofanina. Efa fantatra mialoha mantsy ny filàna ara-tsolika isan-taona raha ho an'ny malagasy, ary efa fantatra ireo kompania mpaninjara izany. Sao kosa ny mpitondra fanjakana sy ireo kompania no tsy MILAMINA... ka lasa ny malagasy rehetra no tratran'ny SANGODIM-PANINA? Tsy azo hodian-tsy hita mantsy ny ady mangatsiaka eo amin’ny fitondram-panjakana sy ny kompania mpaninjara solika amin’ny resaka trosa sy ny hetra. Tena efa tsy mandohalika intsony anefa ny malagasy, fa toa resy fa tsy afa-manoatra.......saingy sarihana ihany ianareo mpitondra hanao laharam-pahamehana ny fitadiavam-bahaolana mba isorohana ireo izay mety hanararaotra satria....mora mantsy ny mampirehitra afo amin'ny solika fa ho sarotra ny hifehy  izany...raha toa ka hiredareda. Eto am-pamaranana ny AROFANINA, dia misarika ny sain’ny rehetra hoe.......raha haharitra sy hiverimberina anie ny haha GISA MAINTY ny solika, ka mety ho pitik’afo handrehitra ny krizy e! Tsara araka izany ny fitadiavam-bahaolana mato-paika sao sanatria hifandatsa amin’ny hoe Madagasikara tsy maintsy MIJOTSO.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 7 jolay 2025

• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...