♦ Nitondra teny firariantsoa hoan’ny Noely sy ny taona vaovao 2024, i Mompera Innocent Bizimana, lehiben’ny fikambanana Salezianina Don Bosco eto Madagasikara sy Nosy Maorisy... ♦ Ny saina voatr’olombelona (Intelligence artificielle) sy ny fiadanana, io no votoatin’ny hafatry ny Papa François amin’ny fankalazana ny andro faha-57 maneran-tany hoan’ny fiadanana... ♦ Tokony hiambina sy hiaro ny fo amam-panahy tsy hirona makany amin’ny faharatsiana isika, hoy ny Papa François, tamin’ny Audience Générale, ny alarobia lasa teo... ♦ Mbola maro ny fandripahana  ireo tsy manan-tsiny misy eto amin’izao tontolo izao, hoy ny Papa François...

Mahaiza mametraka safidy sy manaja ny safidin'ny hafa mba hahatsara ny fiaraha-monina. Ny safidy izay nomen'Andriamanitra ny olombelona eo amin'ny fifandraisan'ny olon-droa na maro dia tokony azahoana vokatra tsara sy mahafa-po eo amin'ny andaniny sy ny ankilany na eo amin'ny mpifankatia na mpivady na mpianaka na mpihavana na mpiara-miombon'antoka hatreny amin'ny fiaraha-monina. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Eric Franck Randriamiandrinirinarivo, Talen'ny Radio Don Bosco.

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...