♦ Nomelohin'ny PAC na ny tendrom-pitsarana miady amin'ny kolikoly, asa anterivozona 10 taona ireo olona telo tsy niatrika ny raharaham-pitsarana azy notanterahina ny alatsinainy teo, mahakasika ny raharaha tambi-karama teo anivon'ny orinasa JIRAMA... ♦ Hifarana ôfisialy amin'ity tapak'andro maraina ny 15 mey ity manerana ny distrika 120 ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana na ny RAL 2024... ♦ Ny kianja ao an'i Pretoria any Afrika-atsimo no nosafidian'ny federasiôna Malagasy ny baolina kitra, hanaovana ny fihaonan'i ekipam-pirenena Malagasy amin'i Comores sy Mali amin'ny fifaninana hiatrehana ny Mondial 2026... ♦ Vokatry ny ady eo amin'i Israël sy Hamas : olona maherin'ny 450.000 no voatery nafindra toerana...

♦ Namory ireo mpikambana anatin'ny rafitra tsy maharitra ho an'ny fifidianana Solombavam-bahoaka ny CENI androany. Nampahafantarina nandritra izany ny fizotran'ny fanomanana ny fifidianana... ♦ Hotanterahana ny 14 sy 15 nôvambra 2024, etsy amin'ny CCI Ivato ny CEO Business Forum. Maherin'ny 25 ireo firenena handray anjara... ♦ Tombanana hisy andro ratsy hiforona ao avaratry ny nosy amin'ny faran'ny herinandro, raha ny vina avy amin'ny Météo Madagasikara...

♦ Entina amintsika amin'izao vaovao izao ny hafatra avy amin'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Afaka niditra teny amin'ny Kianja 13 mey ihany ny fikambanan'ny Hetsika Mai 72 androany, na tsy nahazo lalana avy amin'ny Préfet aza... ♦ Niakatra teny amin'ny PAC androany, ireo olona valo voarohirohy tamin'ny raharahan'ireo sokatra sy gidro tratra tany Thailande...

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...