♦ Nangataka ny hanoloana an-dRamatoa Isabelle Delattre, Masoivohon'ny Vondrona Eorôpeana miasa eto Madagasikara, ny fanjakana Malagasy, araka ny navoakan'ny gazety iray atsy Afrika... ♦ Miahiahy amin'ny ain-dRamatoa Christine Razanamahasoa ny fikambanana BAM. Tsy fantatra mazava ny toerana misy ity Filohan'ny Antenimieram-pirenena teo aloha ity, tao aorian'ny didin'ny HCC, hoy izy ireo androany... ♦ Niakatra ho 20% ny TVA alain'ny fanjakana amin'ireo orinasa amin'ny fifandraisan-davitra. Io no mahatonga ny saran'ny Internet eto amintsika ho lafobe, hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa...

♦ Nametraka fitoriana ho an'ny kaominina Antananarivo Renivohitra eny amin'ny Fitsaràna misahana ny ady amin'ny Fanjakàna ny mpanolo-tsaina Ravololomanana Lalatiana. Tsy ara-dalàna hoy izy ny nanafoanana ny fampiasan'ny mpivarotra ny karatra biometrie... ♦ Nahafeno ny fepetra maha fahavoazam-pirenena azy ny takaitra navelan'ny rivo-doza Gamane. Mahatratra 89.000 isa mahery ny traboina. Foto-drafitr'asa, an'ny Fanjakana, maro no simba... ♦ Mampiranty ny sangan'asany eto Antananarivo ireo mpanakanto 22 avy aty Afrika, ka ny 5 amin'ireo no malagasy... ♦ Notafihan'ny jiolahy mitam-piadiana ny seminera zandriny Md Martial ao Port au Prince renivohitra Haïsiana...

♦ Hitohy anio ny "Chapitre Provincial" faha-11 an'ny Fikambanana Saleziana eto Madagasikara sy ny atsy Nosy Maurice. Nanokatra izany tety Ivato omaly ny Nonce Apostolique, Mgr Tomasz Grysa... ♦ Nahafeno ny fepetra maha fahavoazam-pirenena azy ny takaitra navelan'ny rivo-doza GAMANE. Mahatratra 89.000 isa mahery ny traboina. Foto-drafitr'asa, an'ny Fanjakàna, maro no simba... ♦ Misolo toerana vonjy maika mitantana ny antenimieram-pirenena ny filoha lefitra zokiny indrindra. Tsy azo atao eny Tsimbazaza intsony ny hetsika pôlitika mety hanohitohina ny filaminana hoy ny filoha lefitra eto amin'ny faritanin'Antananarivo Naivo Raholidina...

Ilay fotoana hirosoan'ny tanora amin'ny fiainan-tokan-trano no tanjona amin'ny fanitsiana azy ireo dieny mbola kely fa tsy fanaovana tsinotsinona zaza akory. Ny fampianaran'ny Baiboly dia manantitrantitra be ny adidin'ny zanaka amin'ny ray aman-dreny fa tsy ny zon'ny zaza. Manajà ny rainao sy ny reninao, araka izay nandidiako anao, mba ho lava andro iainana ianao ary mba hahita soa any amin'ny tany nomeko anao. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa. 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...