♦ Nametraka fitoriana ho an'ny kaominina Antananarivo Renivohitra eny amin'ny Fitsaràna misahana ny ady amin'ny Fanjakàna ny mpanolo-tsaina Ravololomanana Lalatiana. Tsy ara-dalàna hoy izy ny nanafoanana ny fampiasan'ny mpivarotra ny karatra biometrie... ♦ Nahafeno ny fepetra maha fahavoazam-pirenena azy ny takaitra navelan'ny rivo-doza Gamane. Mahatratra 89.000 isa mahery ny traboina. Foto-drafitr'asa, an'ny Fanjakana, maro no simba... ♦ Mampiranty ny sangan'asany eto Antananarivo ireo mpanakanto 22 avy aty Afrika, ka ny 5 amin'ireo no malagasy... ♦ Notafihan'ny jiolahy mitam-piadiana ny seminera zandriny Md Martial ao Port au Prince renivohitra Haïsiana...

[audio src="/images/sounds/jmi-20240404.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Zoma 23 ôktôbra 2026

• “Fohazo izay matory”, hoy i Mgr Jean de Dieu Raoelison tamin'ireo ankohonam-panabeazan'ny Sekoly Katolika, tamin'ny fanokafana ofisialy ny taom-panabeazana 2026-2027, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo… • Mankalaza ny faha-200 taona niorenany ny fikambanan'ny Oblats de Marie Immaculée… • Dimampolo taona teto Madagasikara ny Orionistes, nanamarika izany ny Diosezin'Ambanja…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...