♦ Nametraka fitoriana ho an'ny kaominina Antananarivo Renivohitra eny amin'ny Fitsaràna misahana ny ady amin'ny Fanjakàna ny mpanolo-tsaina Ravololomanana Lalatiana. Tsy ara-dalàna hoy izy ny nanafoanana ny fampiasan'ny mpivarotra ny karatra biometrie... ♦ Nahafeno ny fepetra maha fahavoazam-pirenena azy ny takaitra navelan'ny rivo-doza Gamane. Mahatratra 89.000 isa mahery ny traboina. Foto-drafitr'asa, an'ny Fanjakana, maro no simba... ♦ Mampiranty ny sangan'asany eto Antananarivo ireo mpanakanto 22 avy aty Afrika, ka ny 5 amin'ireo no malagasy... ♦ Notafihan'ny jiolahy mitam-piadiana ny seminera zandriny Md Martial ao Port au Prince renivohitra Haïsiana...

[audio src="/images/sounds/jmi-20240404.mp3" background="#0099ffff"]

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...