Ny fanantenana dia ilaina eo amin'ny fiainana mba hisian'ny fivoarana. Ny fanantenana dia mametraka tanjona mandrakariva, koa manàna àry fanantenana eo amin'ny fiainana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Notanterahana omaly tany amin'ny OVEC manerana ny nosy ny antsapaka ho an'ny laharan'ny kandidà ao amin'ny bilta tokana amin'ny fifidianana solombavambahoaka amin'ny volana mey ho avy izao... ♦ Notanterahana tany Toamasina ny filan-kevitry ny ministra, ivelan'Antananarivo. Any Antsiranana indray no hanaovana ny filan-kevitry ny ministra mitety faritra manaraka... ♦ Nanomboka nanohy ny asa fanamboarana ny lalana miainga eny Andranotapahana mihazo an'Ivato indray ny orinasa nahazo fifanarahana amin'ny Fanjakàna hanao izany asa izany... ♦ Namoaka sazy vaovao ho an'i Iran noho ny fanafihana nataony tany Israël ny eo anivon'ny vondrona eraopeana...

♦ Tontosa androany tany amin'ireo OVEC manerana ny Distrika eto Madagasikara, ny fanaovana ny ankitsapaka handaharana ny laharan'ny kandidà ao amin'ny biletà tokana, amin'ny fifidianana Solombavam-bahoaka, ny 29 mey 2024... ♦ Nahazo fahafahana ireo olona enina tamin'ireo olona sivy nosamborina noho ny fanoherana ny fizarana tsy ara-drariny ny tany ao amin'ny lemaka Bas-Mangoky... ♦ Efa manomboka mahazo vahana eto amintsika ny fitsaboana ampitain-davitra, na ny “télé-médecine”...

♦ Maro tamin'ireo ratsa-mangaikan'ny CENI teny anivon'ny distrika manerana ny nosy no efa nahavita ny hatsapaka izay mamaritra ny filaharan'ny kandidà anatin'ny bileta tokana, ny tapany maraina teo... ♦ Ministeran'ny fampianarana teknika sy fanofanana arak'asa : Tanora miisa 150 ao amin'ny Faritra Vakinankaratra no hisitraka fanofanana faobe amin'ny famokarana akora mifototra amin'ny simenitra... ♦ Ministeran'ny foloalindahy : Handray zazavao miisa 2.000 isa, misokatra ny fandraisana ny antotantaratasy ho an'ireo izay liana, izay hifarana ny talata 30 aprily izao... ♦ Niantso ny kristiana sy ny olona tsara sitra-po any Burundi ny fivondronamben'ny Eveka any an-toerana mba hamelona ny ezaka hametraka fandriam-pahalemana...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...