♦ Noamasinina sy napetraka amin'ny fikerahana ho Eveka ao ami'ny Diôsezi'i Maintirano omaly Mgr Rakotohasimbola Clément Herizo ; Eveka faharoa tao amin'ny Diôsezy izany... ♦ 11 no maty, 7 hafa naratra, izay no vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga tamin'ny lalam-pirenena faha-8A, mampitohy an'Antsalova sy Maintirano. Fiarabe mpitatitra vato nikasa ho any Maintirano nitondra olona 24 no nivadika vokatry ny lalan-dratsy... ♦ Sarotra ny manova ekipa amin'izao toe-draharaha pôlitika misy eto Madagasikara izao ka rariny raha tsy nanova Praiministra ny filohan'ny repoblika hoy ny solombavambahoaka manohana ny fitondrana... ♦ Lasan'ny Espaniôla ny Euro 2024...
Matetika ny olona somary manahirana no ifandraisan'Andriamanitra, tsy mora resy lahatra sady be fanahiana, ary isan'ireny i Môizy. Tamin'ny fotoana niantsoana azy dia olona tsy nahomby tamin'izay nataony ary nandositra i Môizy ary izay no nahatonga azy tany Madiana. Katesizy momba an'i Môizy, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
15 jolay 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahadimy ambin'ny folo Mandavantaona — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 34 — 11, 1)
Ao an-tokantrano no fanabeazana ny tsirairay mba hiaina ny fahatahorana an'Andriamanitra. Tandindon'ny firenena iray manontolo ny fianakaviana tsirairay. Zava-dehibe ny fiainam- panambadiana satria hanabeazana ny ankizy sy ny tanora ho fampandrosoana. Misy ny atao hoe "Tribunal ecclésiastique" raha misy olana ara-panambadiana ny olona roa. Fandaharana "hono hoy aho mopera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco