Alahady voalohany – taona D, Karemy : Fahafoizana ho an’Andriamanitra ; Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra. Jesoa nalain'ny demony fanahy tany amin'ny tany efitra no resahin'ny Evanjely, ny demony dia antsoina hoe mpampisaraka amin'Andriamanitra. Ny tany efitra dia manambara ny fisitahana, fahanginana, fivavahana, ary manambara ny fisedrana (irery, anoanana, fakam-panahy...). Miala maina ny demony rehefa miankina amin'Andriamanitra sy ny teniny isika. Ny tena harena dia Andriamanitra irery, aoka isika hafoy ny rehetra noho ny amin'Andriamanitra...
08 marsa — Raha fintinintsika fohy ny tantaran'i Masindahy Jean de Dieu dia teo amin'ny fahavalo taonany no nandao ny tokantranon-dray aman-dreniny izy. João Cidade no tena anarany ary teraka tao Portugal izy.
• Fiofanana maharitra sy faharetana mivavaka no nanentanan'ny Eveka ireo pretra diosezanina, mba hiatrehana ny fanamby ankehitriny… • Nitantara ny vokatry ny fitsidihana Apostolika tany Amerika Latina, ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia lasa teo… • Any Odessa, simba taorian'ny fanafihana rosiana, ny Katedraly katolika…
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco