• Namaly bontana ny tsikera atao amin'ny fitondrana, androany ny Filohan'ny Repoblika. Tsy olom-bitsy amin'ny tambajotran-tserasera 10 na 14  akory, hoy Andriamatoa Andry Rajoelina, no hanakorontana eto fa efa mahatsapa ny ezaka ataon'ny fiondrana ny Malagasy... • Nitafa tamin'ny mpanao gazety ny mpitarika ny RMDM. Nametra-panontaniana izy ireo hoe : “Iza marina no tena tompon'ireo Boeing miisa 5 nomena laharana malagasy lasa any Iran ?”... • Nandray ny fitarihana sy ny fandrindrana ny Komitin'ny fitantanam-bola eo anivon'ny SADC i Madagasikara nanomboka androany. Mitarika izany mandritra ny herintaona ny Sekretera Jeneralin'ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola malagasy...

• Hotanterahana ny alahady 10 aogositra 2025, ny fametrahana amin'ny fomban'ny Fiangonana eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy an'i Mgr Marek Ochlak... • Mampitodika antsika hivavaka ho an'ireo fiaraha-monina sy firenena sarotra mihavana, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany ho an'ity volana aogositra ity... • Nandefa hafatra ho an'ireo nandray anjara tamin'ny Fihaonan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Afrika sy i Madagasikara, ny Papa Léon XIV...

Tsy mbola lefy laza amin’ny maha sehatra goavana ihaonan’ny tantsaha mpamokatra sy ny mpanjifa, ireo teknisiana sy ny mpiara-miombon’antoka samihafa, ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny toekarena eny ambanivohitra na ny FIER MADA. Mbola mahasarika olona maro koa na eo aza ny Tsenabe mifaninana aminy taty aoriana...

Araka ny Testamenta Taloha dia hita taratra ao ny tantaram-pitiavana, ny fitiavan'Andriamanitra ny olombelona ; porofom-pitiavan'Andriamanitra ny fampanantenany ny fahatongavan'ny Zanany mba hamonjy ny olombelona ao anatin'ny fahotana. Masina Maria virijiny no lalana nahatanteraka ny teny tonga ho nofo.  Nisy foana ny fivadihan'ny vahoaka amin'Andriamanitra anefa misy vondron'olona iray hatrany mifikitra amin'Andriamanitra ary mampitohy ny lalam-pamonjena... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...