• Namaly bontana ny tsikera atao amin'ny fitondrana, androany ny Filohan'ny Repoblika. Tsy olom-bitsy amin'ny tambajotran-tserasera 10 na 14  akory, hoy Andriamatoa Andry Rajoelina, no hanakorontana eto fa efa mahatsapa ny ezaka ataon'ny fiondrana ny Malagasy... • Nitafa tamin'ny mpanao gazety ny mpitarika ny RMDM. Nametra-panontaniana izy ireo hoe : “Iza marina no tena tompon'ireo Boeing miisa 5 nomena laharana malagasy lasa any Iran ?”... • Nandray ny fitarihana sy ny fandrindrana ny Komitin'ny fitantanam-bola eo anivon'ny SADC i Madagasikara nanomboka androany. Mitarika izany mandritra ny herintaona ny Sekretera Jeneralin'ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola malagasy...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...