Amin'ny fotoana ny vavaka dia ilaina ny fahanginana, tokony ho tony tanteraka ny fo sy ny vatana, ny fifantohan'ny saina. Mba ahazoana tsara ny Tenin'Andriamanitra dia atao amim-pitandremana ny famakiana azy, azo atao ny mandray an-tsoratra na fanamarihana manandrify ireo teny manaitra... Katesizy momba ny vavaka sy ny tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina.
16 ôktôbra 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahavalo amby roapolo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin’ny fahamarinana izahay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 42-46)
♦ Nanomboka androany ny fivoriana ara-potoanan'ny Andrim-panjakana Mpanao Lalàna eto Madagasikara. Niresaka ny olan'ny herinaratra misy eto ankehitriny ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Resahana mandritra ny fikaonan-doha siantifika iraisam-pirenena, eny amin'ny Sekoly Ambony momba Siansa ara-pambolena eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo, ny anjara birikin'ny harena voajanahary amin'ny fampandrosoana... ♦ Mbola sakana ho an'ny vehivavy tantsaha eto amintsika amin'ny asa fampandrosoana sahaniny, ny kolontsaina misy any aminy...
Ny fitsaram-bahoaka dia mitranga amina toe -javatra iray manamarika ny tsy fifampitokisana eo amin'ny mpitondra sy ireo vahoaka entina dia manapa-kevitra ny vahoaka fa izy no mila mandray an-tanana ny momba azy na amin'ny lafiny inona izany na amin'ny lafiny inona... Fandaharana " zava-misy" iarahana amin'i Rasamimanana Marc.
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco