16 ôktôbra 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahavalo amby roapolo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin’ny fahamarinana izahay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 42-46)
Tenenin’i Jesoa mafy eto ireo Farisianina sy mpampianatra ny lalàna. “Mila loza izy ireo” hoy i Jesoa. Satria manadino ny tena zava-dehibe; avy eo, ny fisehosehoana no mahamaika. Ka ao anatin’izany, tsy vitan’ny mampanota olona fa mbola mampijaly azy ihany koa. Izay raha atao indray mijery ity Evanjely ity. Manadino ny tena zava-dehibe; satria nahoana ? Satria variana amin’ny zavatra tsy dia misy dikany laotra dia adino ny momba an’Andriamanitra. Izany no tonga amin’ny ilay fitenenana hoe: “Milaza ho be raharaha, ka ny voly vary indray no tsy vita”. Ny lalàn’i Môizy momba ny fahafolom-pananana mantsy dia tafahoatra ny fampiharan’ny Farisianina azy. Satria tafapaka hatrany amin’ireny anana madinika kely ireny; dia ny solila (Menthe), ny rota sy ny anana rehetra, anana izay tsy nandoavan’ny olona ampahafolony voadidin’ny lalàna (Dt 14, 22) nefa nandoavan’ny Farisianina ihany. Izany hoe tena mpanaraka tsara ny lalàna ny Farisianina, eny hatramin’ny zavatra kely indrindra: tena tsy misy hokianina. Nefa manao hatsirambina ny momba an’Andriamanitra sy ny rariny. Lasa ny fombafomba ety ivelany indray no himasoana sy tandrovina fatratra. Didy lehibe lavitra noho izany anefa ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny rariny ka tokony atao laharam-pahamehana. Izay ilay “tsy maintsy atao”. Izay vao mijery ny ambiny sisa “izay tsy azo ajanona”.
Tsarovy àry fa tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny fombam-pivavahana ivelany fotsiny. Fa tsy maintsy atao mifanaraka amin’ny fomba atao sy ny teny lazaina ny fiainana azy. Raha tsy mifanaraka amin’ny fombam-pivavahantsika mantsy ny fombam-piainantsika dia tsy ankasitrahan’Andriamanitra izay ataontsika Azy. Hoy Izy Andriamanitra: “Hàlako sy tsy ahoako akory izay fetinareo, tsy hankamamiko akory ny fiangonanareo. Raha manolotra sorona dorana amam-panatitra ianareo tsy mankatelina izany Aho; ary izay fisoronanareo zanak’omby matavy tsy jereko velively” Am 5, 21-22. Araka izany, hakimpin’Andriamanitra amintsika ny masony raha tsy mahay mametraka ny tena laharam-pahamehana isika fa variana amin’ny zavatra tsy dia misy lanjany ety ivelany fotsiny. Izany no tena loza ho antsika tokoa rehefa tsy rarahin’Andriamanitra intsony isika.
Ary ny fahotana iray dia miteraka fahotana hafa iray na maromaro indray koa avy eo. Ka mitombo araka izany koa ny loza haterany. Satria ny fanadinoana ny mahazava-dehibe an’Andriamanitra dia miteraka fizahozahoana (mametraka ny tena ho ambony noho ny hafa), ka lasa tsy manana fanetren-tena intsony avy eo: maka ny toerana voalohany sy ny tia arahabaina eny an-kianja. Fahotana ratsy anefa izany. Avy eo, manome ohatra ratsy amin’ny olona manodidina. Izay ilay mampanota olona, oharin’i Jesoa amin’ny fasana. Satria izay mikasika fasana dia maloto Fan 19, 16. Tsy fantatry ny olona ny haratsiany ao anatiny, ka mitakosina aminy ny olona ary manaraka izay lazainy sy ataony. Izany ihany koa no tena loza, satria mampidi-doza ny olona tsy mahalala. Ka ireo olona ireo ihany avy eo no iharan’ny fanarahan-dalàna antsipiriany izay nampiany. Izany no atao hoe mampahory ny madinika tsy mahalala; loza koa izany.
Mety ho tratran’izany koa isika. Koa aza avela hitombo àry ny haratsiana ataontsika mba tsy hitera-doza ho an’ny hafa fa mahaiza mametraka ny tena zava-dehibe sy ny laharam-pahamehana: dia ny momban’Andriamanitra sy ny fahamarinana izany.