♦ Tsy ho sakana intsony amin'ny fampandrosoana ny kolikoly sy ny tsimatimanota, amin'ny fisian'ny paik'adim-pirenena iadiana amin'ny kolikoly, hoy ny filoha vaovaon'ny CSI, omaly... ♦ Hasiam-panarenana ny toby famatsian-dranon'i Mandroseza. Hisy ny tetik'asa momba izany, hampahafantarina mandritra ny Herinandrom-pirenena momba ny rano, hoy ny Ministra mpiahy... ♦ Tsara ny vokatra azon'ny Makis Lehilehy eo amin'ny "Rugby à 7" tamin'ilay fifaninana "World Cup Challenger Series" tany Pologne. Nigadona an-tanindrazana ireo mpilalao, notsenaina tamin'ny fomba miavaka, omaly tolak'andro...

15 aprily — Teraka tao Armorique tamin'ny fiandohan'ny taonjato fahadimy i Paterne. Nankany Angleterre izy mba hitoka-monina, ary nandray anjara tamin'ny fanorenana ny fiangonana sy ny trano fitokana-monina tao amin'izany firenena izany. Izy no eveka voalohany tao Vannes, ary maty teo anelanelan'ny taona 490 ka hatramin'ny taona 511.

Eo amin'ny tantaram-pamonjena dia Izy Andriamanitra mihitsy no manao dingana voalohany mba hanatonana antsika olombelona ; araka izay voalaza hoe : Fa izay matahotra azy sy manao ny marina dia nankasitrahany, na aiza na aiza firenena misy azy (Asa 10, 35). Any amin'ny Testamenta Taloha dia nifidy ny vahoaka Israely Andriamanitra mba ho vahoakany... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.

• Hifantoka betsaka amin'ny fanatanterahana ny paikadim-pirenena iadiana amin'ny kolikoly taona 2025–2030, ny asa hotanterahan'ny Filoha vaovaon'ny CSI, izay vao nandray ny asany androany... • Tokana ihany ny SPSM, dia ireo lany ara-dalana tamin'ny fifidianana, hoy ireo Birao mpikambana androany... • Mitodika amin'ireo tanora mpandraharaha eto Afrika ny fifaninanana “Prix Pierre Catel”...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...