Fanamby maro no manoloana ny sehatry ny fanabeazana ankehitriny noho ny firoboroboana sy ny fandroasoan’ny teknolojia. Etsy andaniny maro ny tombotsoa azo avy amin’izy ireny, fa etsy ankilany kosa raha ny fanehoan-kevitra  amin’ny mpandinika dia fantatra fa mbola banga ny fanabeazana eto Madagasikara, fa indrindra amin’izao fotoana mampiazakazaka ny tonolom-pivoarana izao. Misy ezaka sy andriakitra lehibe miandry ny Ray aman-dReny, satria ny fototry ny fanabeazana dia mianga avy any an-tokantrano. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana vaomieran'ny fahasalamana, eo an'ivon-toerana Arrupe.

  • Miantso ireo mpanararaotra ny fahasahiranam-bahoaka sy ny mpikarakara ny fifidianana isan'ambaratonga ny FFKM, mba hanaja ny safidin'ny vahoaka, ary tsy ho menatra hampihatra ny lalàna amin'ireo minia mandika izany...
  • Nametra-pialana tsy ho mpanazatra ny Barea A intsony, i Maître Rorot, tao aorian'ny fidiram-baolina nandritra ny fe-potoana fanampiny, omaly...
  • Efa misy ny dingana atao handrindrana sy hifehezana ny vidin'ny vary, hoy ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana, David Ralambofiringa...

Tahaka ilay toetra ao amin'ny fanoharana izay tsy maintsy mitsena vahiny tonga tsy nampoizina, mandeha mandondona ny tranon'ny namany amin'ny misasakalina ary mangataka mofo. Namaly ilay namany hoe "Tsia!" satria efa eo am-pandriana izy, nefa miziriziry mandra-panery azy hitsangana hanome azy ny mofo, io ilay toetra manao fangatahana maharitra... Katesizy momba ny vavaka maharitra, iarahana amin'i P. Ratinarivony Laurent.

15 nôvambra 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra faharoa amby telopolo Mandavantaona— Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 26-37)

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...