01 jona — Martiry tamin’ny taonjato faharo i Masindahy Justin, avy any Flavia Neapolis izy na antsoina hoe Naplouse any Palestine amin’izao fotoana izao. Mpanompo sampy ny ray aman-dreniny, nanan-katao tokoa izy ireo ary nandalina ny kolontsaina sy ny fiteny grika ka afaka tsara nampianatra an’i Justin.
Alahady faha-7 - taona D fankalazana ny Paka : Tokony hangetaheta ny mandrakizay isika ; tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo: handeha Aho ary ho avy eo aminareo indray, ka ho faly ny fonareo. Fanirian'i Jesoa no ho andian'ondry tokana antsika sy ho mpiandry ondry tokana no hiahy antsika. Ny môdelin'ny fiombonana dia ny fiombonana ao amin'ny Trinite Masina. Andriamanitra Ray dia toy ny masoandro, mamiratra ; ny Zanaka dia ireo tana-masoandro, mitondra hazavana ao an-trano sy mamono ny otrik'aretina samihafa, ny Fanahy Masina dia ny hafanana...
♦ Loha-laharana amin'ny lentan'ny fanabeazana eto Madagasikara ny mpianatra mivoaka amin'ny sekoly katôlika ka mila tazomina izany, amin'ny fanomezana fiofanana ireo mpampianatra... ♦ Mila vola hatrany amin'ny 300 tapitrisa Dôlara ny fanatanterahana Tondro-zotra ho an'ny jono sy ny toe-karena manga eto Madagasikara... ♦ Manao antso ho an'ny Fanjakàna hametraka pôlitika fanaraha-maso ny fanajàna ny lalàna voavao mifehy ny asa ny sendikan'ny mpiasa FISEMARE. Mila hajaina sy hampiharina izay voalazan'ny fehezan-dalàna hoy izy ireo... ♦ Ady any Gaza : Tsy maintsy manaiky ny fifanarahana hampitsahatra ny ady i Israely sy Hamas...
♦ Tanterahina ny alatsinainy 2 mey izao ny fananganan-tsaina ôfisialy ho fanamarihana ny faha-65 taona nahazoana ny fahaleovantena, hanokatra izany eny amin'ny Parvis an'ny Hotel de ville Analakely ny filoha Malagasy... ♦ Nanana anjara toerana lehibe tamin'ny fampiroboroboana ny sehatry ny fiompiana teto Madagasikara ny Malagasy Professionnels de l'Elevage (MPE), notanterahina omaly ny fankalazana ny faha-30 taona nijoroany... ♦ Raharaha nahafatesan'olona maro tany Ikongo : Ny volana febroary teo no tsikaritra fa niakatra ny tahan'ny olona voan'ny tazomoka tany an-toerana, handrasana hatrany ny vokatry ny fanadihadiana nataon'ny ministeran'ny fahasalamana...
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco