25 mey — Teraka tany Angleterre ny taona 672 i Bède. Mbola ley izy dia efa maty ny ray aman-dreniny ka teo amin'ny fahafito taonany izy no naterin'ny havany tany amin'i Benoît Biscop, lehiben'ny mpitoka-monina tao Canterbury. Mpmampiofana ireo mpitoka-monina i Benoît no sady nanana andraikitra manoka koa tamin'ny fampifandraisana an'i Roma sy Angleterre.
Alahady 25 mey 2025. Alahady faha-6 – Taona D fankalazana ny Paka : Vary zato aharon’ny sompitra isika ao amin’ny Eglizy ; Raha misy tia Ahy ka mitandrina ny teniko, hoy ny Tompo, dia ho tian’ny Raiko izy, ka hankao aminy Izahay ary honina ao aminy. Ny fitiavana no harena tokana sy ambony indrindra amin'Andriamanitra, fitiavana tsy misy tambiny, hatramin'ny fahafoizana ny zavatra rehetra. Ny fitiavan'i Jesoa dia fitiavana maimaimpoana, tsy miandry valiny, tsy voafetra. Ny Fanjakàn'Andriamanitra dia fiadanana sy fifaliana, izay ao anatin'ny fon'ny olona mino...
♦ Nankalaza ny faha-10 taona ny ansiklika Laudato Si, isika Malagasy. Tamin'ny alalan'ny Sorona Masina teny amin'ny EKAR Masimbavy Anne Anjomakely ato amin'ny Diôsezin'Antananarivo no nanehoana izany sady nanokafana ihany koa ny herinandron'ny Laudato Si... ♦ Nitokana zava-bita tao Nosy-Be ny filohan'ny Repoblika nandritra ny dia nataony tany. Nanolotra fanampiana ho an'ny vahoaka tao an-toerana ihany koa... ♦ Mitohy ny tolona hitakiana ny fandehanan'ny fiainan'ny firenena amin'ny tokony ho izy hoy ny Filohan'ny Hery Politika Mitambatra. Tsy tokony hametraka sakana amin'izany ny Prefet an'Antananarivo hoy Pr Ralison Roger...
♦ Misy mivohy resaka politika ny asan-dahalo mitranga ao amin'ny Distrika Isandra. Nifandona tamin'ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona ireo daholo ny alakamisy teo. Dahalo miisa 4 no maty, iray ny mpanara-dia... ♦ 25 taona nanabeazana tanora ny sekoly ambony ESSVA ao Antsirabe. Nankalazaina omaly ny ivon'ny fankalazana... ♦ Niampy 7 isa indray ny alika ampiasain'ny fadintseranana malagasy iadiana amin'ny osoka sy ny fanondranana antsokosoko harena voajanahary. Notolorana mari-piofanana ny Malagasy Mpibaiko azy ireo... ♦ Mangataka fanampiana ho an'ny mponina ao Gaza ny Sekretera jeneralin'ny Firenena Mikambana...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco