♦ Miaka-dapa eny Tsimbazaza nanomboka androany ny mpikamban'ny governemanta tarihan'ny Praiministra Ntsay Christian. Fotoana ahafahan'ny solombavambahoaka mametraka fanontaniana amin'ny fahefahana mpanatanteraka momba ny fizotry ny raharaham-pirenena... ♦ Mahatratra 100 tapitrisa Dôlara isam-bolana ny vola nomerika mivezivezy eto Madagasikara. Tsy maintsy amafisina ny fahamalinana manoloana izany hoy ny Tale Jeneralin'ny SAMIFIN... ♦ Nanomboka androany etsy amin'ny CCI Ivato ny Foara Iraisam-pirenena ho an'ny Fizahan-tany (ITM) andriany faha-11 sy ny Foara Iraisam-Pirenena ho an'ny Asa-tanana andiany faharoa...
Ny volana "JONA" dia fotoana natokana hanehoana ny fitiavan-tanindrazana, ny antoky ny fampandrosoana ny firenena dia io fitiavan-tanindrazana io. Ny volana "JONA" dia volan'ny Fanahy Masina, fanilo mitantana sy manoro lalana ny tsirairay ; fa volan'ny tafika Malagasy ihany koa ny volana "JONA", mampiavaka azy koa ny maha iray volan'ny ankizy azy. Ny iray volan'ny Teny Malagasy dia afahana manasongadina ny fitiavan-tanindrazana ihany koa ... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Hihaona amin'ny Papa Léon XIV any Vatican ireo Evekan'i Madagasikara ; izy ireo izay manao fivahinianana Masina ao Rôma... ♦ Mitodika eny Tsimbazaza ny fahalianan'ny mpanara-baovao politika. Hihaona amin'ny solombavambahoaka ireo mpikamban'ny governemanta anio sy rahampitso zoma, horesahina ny fiainam-pirenena... ♦ Hotanterahana eto Madagasikara ny herinandro fampiroboroboana ny Indostria ao amin'ny SADEC. Hetsika hotanterahana ny 28 hatramin'ny 1 aogositra izao. Handray anjara amin'izany ny Malagasy Mpandraharaha...
12 jona — Misy Masindahy Guy roa no ho resahintsika androany : ny voalohany dia i Masindahy Guy Vignotelli tao Cortone. Izy ity dia fransisikanina teraka tamin’ny taona 1187, andriana izy io fa mahay manetry tena sy mandray olona tokoa.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco