♦ Hisy ny tombana anatiny hanatsaràna ny zotram-pifidianana eto Madagasikara karakarain'ny CENI Foibe sy ny rantsamangaika eny anivon'ny Distrika, Faritra, ary Faritany, izay atao any Mahajanga... ♦ Manana antontan-taratasy lasitra fiaraha-miasa momba ny zo sy ny fahasalamanaa ara-pananahana ho an'ny vehivavy sy ny tanora i Madagasikara vita sonia omaly ny fiaraha-miasa miaraka amin'ny IPAS momba izany... ♦ Mahatonga ny tsy fahatokisan'ny vahoaka ny mpitondra ny tsy fanomezana vaovao haingana sy mari-pototra amina trangan-javatra iray miseho eto amin'ny firenena hoy ny S.E anivon'ny Transparency International Initiative Madagascar...
I Masina Maria dia mpanalalana (médiatrice), sady mpisolovava (paraclet) miankina tanteraka amin'ny Fanahy Masina sy Jesoa Zanany. Masina Maria dia mpiara-miasa voalohany amin'Andriamanitra amin'ny famonjena ny olombelona. Masina Maria dia renin'Andriamanitra no sady mpikambana voalohany ao amin'ny Eglizy, io no mamaritra fa olombelona tanteraka i Masina Maria na niteraka ny zanak'Andriamanitra aza... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
• Hotanterahana any Mahajanga ny 27 hatramin'ny 29 aogositra ho avy izao ny atrikasa hanaovana tombana anatiny, hanatsarana ny zotram-pifidianana eto Madagasikara. Mikarakara ny CENI Foibe sy ny rantsamangaika eny anivon'ny Distrika, Faritra ary Faritany... • Manana antontan-taratasy lasitra, fiaraha-miasa eo amin'ny Antenimieram-pirenena sy ny fikambanana IPAS Francophone, momba ny zo sy ny fahasalamana ara-pananahana ho an'ny vehivavy sy ny tanora i Madagasikara. Antontan-taratasy nosoniavina androany... • Mety hidangana ny vidim-bary amin'ny fotoanan'ny maitso ahitra, hoy ny Solombavam-bahoaka Fetra Rakotondrasoa. Manaitra ny tompon'andraikitra voakasik'izany izy, handray fepetra...
♦ Mitaraina ho misy mpandrahona ho faty ilay mpanao gazety vahiny Gaella Borgia, iraky ny fahitalavitra TV5-Monde eto Madagasikara. Namoaka fampitam-baovao mifandraika amin'izany koa ny RSF eto Madagasikara... ♦ Manantena fihatsaràn'ny karaman'ny mpiasa mitovy amin'ireo firenena ao anatin'ny SADC ny Sendikà Fisemare amin'izao hitantanantsika ity vondrona ara-toe-karena ity izao... ♦ Efa niverina amin'ny laoniny ny fitanteran'olona amin'ny Teleferika ny maraina teo, raha niato izany. Nisy antony ny fiatoana omaly, hoy ny Sekreteram-panjakàna miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana...
• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco