• Hotanterahana any Mahajanga ny 27 hatramin'ny 29 aogositra ho avy izao ny atrikasa hanaovana tombana anatiny, hanatsarana ny zotram-pifidianana eto Madagasikara. Mikarakara ny CENI Foibe sy ny rantsamangaika eny anivon'ny Distrika, Faritra ary Faritany... • Manana antontan-taratasy lasitra, fiaraha-miasa eo amin'ny Antenimieram-pirenena sy ny fikambanana IPAS Francophone, momba ny zo sy ny fahasalamana ara-pananahana ho an'ny vehivavy sy ny tanora i Madagasikara. Antontan-taratasy nosoniavina androany... • Mety hidangana ny vidim-bary amin'ny fotoanan'ny maitso ahitra, hoy ny Solombavam-bahoaka Fetra Rakotondrasoa. Manaitra ny tompon'andraikitra voakasik'izany izy, handray fepetra...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...