Mivavaka ho anao ary ho ahy hatrany i Jesoa, porofon'izany ny voalaza ao amin'ny Lk 22, 31-32 : Hoy ny Tompo "Ry Simôna, ry Simôna, indro i Satana nitady hikororoka anareo tahaka ny vary, fa Izaho nangataka ho anao, mba sy ho lavo ny finoanao, ary rehefa mibebaka ianao dia hamafiso ny rahalahinao. Ny mangataka eto dia midika hoe mivavaka... Katesizy momba ny vavaka fototry ny fifandraisan'i Jesoa tamin'ireo mpianany, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.

13 febroary 2025 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahadimy Mandavantaona — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 24-30)

• Voahitsakitsaka ny demokrasia sy ny zo fototra ho an'ny olom-pirenena, hoy ny RMDM androany teny Bel Air... • Lany avokoa ny lahadinika naroson'ny Ben'ny Tanana, Harilala Ramanantsoa, nandritra ny fivoriana nataon'ny Mpanolotsain'ny tananan'Antananarivo... • Tanora miisa 5.000 isam-paritra no kendren'ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena hahazo fiofanana amin'ilay tetikasa “Tanora mandrafitra ny ho avy”...

  • Naneho ny heviny momba ireo mpitandro filaminana efa nisotro ronono manao fanambarana miaraka amin'ny vondron'olona sy antoko pôlitika ny filohan'ny antenimieran-doholona. Nambarany fa tsy manao hery famoretana ny mpitandro filaminana rehefa manao ny asany...
  • Mila ampiasaina ny paik'adim-pirenena ho an'ny ady amin'ny kolikoly voavao raha tiana hahomby sy ahitana vokatra ny ezaka atao amin'ny ady amin'ny kolikoly eto Madagasikara hoy ny tale mpanatanteraky ny TIMG...
  • Miatraika amin'ny sehatra maro ny fanakatonan'ny filoha amerikanina ny biraon'ny USAID eran-tany ka isan'izany i Madagasikara hoy Profesora Jonah Ratsimbazafy filohan'ny GERP...
  • Fandaharan'asa an-jatony iadiana amin'ny VIH-SIDA aty Afrika no voakasiky ny fampiatoana ny ampahany betsaka amin'ny fanampiana ataon'i Etazonia ato anatin'ny 90 andro...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...