14 febroary — I Cyrille dia teraka tao Thessalonique ny taona 827 ary maty ny 14 febroary 869 tao Roma. Méthode rahalahiny kosa dia teraka ny taona 815 tao Thessalonique ihany ary maty ny 06 aprily 885 tao Grande Moravie.

Nampianatra antsika hivavaka i Jesoa rahefa nivavaka Izy. Nanomboka tamin'ny toriteny teo an-tendrombohitra, nanantitrantitra ny amin'ny fibebahan'ny fo i Jesoa, isan'ireny ny fitiavana ny fahavalo sy ny vavaka ho an'ny mpanenjika. Mampianatra antsika ny fahasahian-janaka i Jesoa, tahaka ny nivavahany tamin'Andriamanitra Ray... Katesizy momba ny vavaka fototry ny fifandraisan'i Jesoa tamin'ireo mpianany, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.

14 febroary 2025 — Zoma, Herinandro Tsotra fahadimy Mandavantaona — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 31-37)

• Miroso lalindalina kokoa ny dingana hananganana ho Olomasina ireo Olontsambatra Malagasy... • Mbola fitaovan-tserasera mankaiky vahoaka indrindra ny Radio, eto Madagasikara. Andro maneran-tany ho an'ny Radio, ny andron'ny 13 febroary... • Nangataka fampakarana 30% amin'ny karama farany ambany ny Fiaraha-midiniky ny Mpiasa Malagasy, ho an'ity taona ity. Nisy ny dinika niresahana izany tamin'ireo vondron'ny mpampiasa amin'ny sehatra tsy miankina...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...