♦ Lany filoha hitantana ny Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) ny mpitandrina Andriamampianina Zaka Hary Masy. Tontosa alina tany Taolagnaro ny fifidianana. Izy no handimby ny mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammy... ♦ Miray feo ny firaisamonim-pirenena misehatra amin'ny fifidianana eto Madagasikara fa tokony ampahafantarina amin'izay ny daty hanaovana ny fifidianana Loholona amin'ity taona ity. Mila hajaina ny dingana voarakitry ny lalàna hoy ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena... ♦ Nivoaka androany ny valin'ny fanadinana bakalôrea ho an'ny Faritany Toamasina. Nahatratra 55,36% ny taha-pahafaham-panadinana tamin'ity taona ity...

Masina Maria ilay olombelona toa antsika ihany dia manana finoana, azon'ny olombelona rehetra alain-tahaka. Masina Maria dia môdeli-pinoana, ny fomba niainany dia ny finoana no mialoha ny fahagagana, izay mahatonga io tranga farany io ho tanteraka. Masina Maria dia tsy miandry fahagagana vao hino, ary izany no nampitombo finoana tsikelikely ny Apôstôly... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

• Mitaky ny hamoahana ny datim-pifidianana Loholona, izay tokony hatao amin'ity taona ity ny KMF CNOE... • Fahombiazana no amehezana ny fitaterana an-tariby, tao anatin'izay efatra andro nisokafany izay... • Mbola ambany ny tahan'ny fisoratan'ny mpianatra anarana any an-tsekoly, amin'izao folo andro mahery kely tsy hanombohan'ny taom-pianarana vaovao izao...

♦ Niroso tamin'ny famindram-pitantanana ireo faritra arovana miisa 52 ny teo anivon'ny Ministeran'ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovain-jafy sy ireo mpitantana faritra arovana... ♦ Miisa 1.213 zazavavy sy tovovavy no tonga niatrika ny lasy nasiônalin'ny fikambanan'ny Fanilon'i Madagasikara, nahatonga solontena tamin'izany ny Diôsezy 19 amin'ny 22 manerana ny nosy... ♦ Distrikan'i Ikongo tsy mbola tapitra ny ady amin'ny tazomoka, tsy mbola foana tanteraka izany ary mitohy ny fandraisana an-tanana maimaimpoana ataon'ny fitondram-panjakàna an'ireo marary eny anivon'ny tobi-pitsaboana... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...