23 febroary 2025 — Alahady Tsotra fahafito Mandavantaona — Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 27-38)

Alahady faha-7 mandavantaona — D : Soavy ireo tsy tia antsika ; Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao. Ny tenin'Andriamanitra amin'ity alahady ity dia samy mampianatra ny soa hatao amin'ireo tsy tia, fitiavana ny fahavalo, fitiava-namana, famindram-po, ny fanaovantsoa... Ny olombelona dia antsoin'Andriamanitra ho amin'ny fibebahana, ny famindram-pon'Andriamanitra no mankahery antsika ary io no nahatonga antsika ho zanany. Toetra mampiavaka ny kristianina ny tsy famaliana ratsy ny hafa, fa kosa mba hivavaka sy hanao soa ny fahavalo...

Rehefa mihena ny tosiky ny ra dia isan'ny azo ilazana hoe misy tsentsina ny lalan-dra.  Ireo mety hanentsina ny lalan-dra : 1- Ra mivaingana 2- Fisian'ny tavy na menaka anaty lalan-dra ka mahatery ny fikorinany. 3-Fisian'ny rivotra tafiditra amin'ny lalan-dra. Ireo olona mety hanana olana amin'ny lalan-dra : Ny tarazo ara-pianakavina, ny fahanteran'ny lalan-dra, ireo manana olan'ny fo... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

  • Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara : Mampatsiahy fa ho an'ny tombontsoam-bahoaka sy hampisitrahana ny zo fototry ny olom-pirenena hahazo vaovao marina, voamarina sy marolafy no antom-pisian'ny asa fanaovan-gazety...
  • Fanafihana mitam-piadiana nisesisesy tao Antananarivo renivohitra : 5 isa ny jiolahy maty voatifitry ny pôlisy, 4 isa azo sambo-belona nahitàna vehivavy miisa 2, ary mbola misy karohina...
  • Atomboka amin'ity taona ity ny fanamboarana ny ampahany amin'ny RN-13, miainga eo Ikalamainty-Ihosy mihazo an'i Betroka, 100 miliara Ariary avy amin'ny Fanjakàna Malagasy no hanamboarana izany...
  • Mpianatra miisa 12 no namoy ny ainy nandritra ny fifandonana teo amin'ny fiara nitondra azy ireo sy ny fiara vaventy iray tany Sao Paulo any Atsimo-Atsinanan'i Bresil...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...