28 febroary — Zanak'olona fanta-daza tamin'ny fahamendrehana i Romain sy Lupicin. Mpirahalahy iray tampo izy ireo ary teraka tamin'ny faraparan'ny taonjato fahefatra.

Ny fanavakavahana, ny fitsitokotokoana, ny fisaratsarahana dia fositra manimba ny firaisan'ny Kristianina. Ny maha kristianina dia tsy mijanona amin'ny tena samirery fa mifandray sy miombona amin'ny samy Kristianina "dimension ecclésiale" fa eo koa ny fiombonana maneran-tany "Eglise universelle". Ny tena fiombonana dia tsy isika anatiny fotsiny ihany... Katesizy momba ny vavaka ho an'ny firaisan'ny Kristianina, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.

28 febroary 2025 — Zoma, Herinandro Tsotra fahafito Mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 1-12)

• Tany amin'ny 220 km andrefana somary atsimo andrefan'Itampolo Ampanihy, no nisy ny foiben'i Honde, tamin'ny 3 ora tolakandro teo... • Zava-dehibe ary mijanona ho tsiambaratelo ny valin-teny raisin'ireo mpanao fanadihadiana mandritra ny EPM 2025, araka ny voafaritry ny lalana... • Tsy mbola nahazo fankatoavana avy amin'ny CAF indray ny kianjan'ny Barea Mahamasina...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...