Ny vato : vato madinika miforona manentsina ny fantson'amany. Rehefa mafana toy izao ny andro dia misy ny tsy fahampian-drano amin'ny olombelona izay mora mampiforona ny vato. Ny tsy fahampian-tsakafo na tsy fahanjarian-tsakafo dia isany antony mampiforona ny vato. Tranga mety hiseho : marary ny lanivoho, misy rà kely ny fivalanan-drano ary manaintaina...
Matahotra ny olona momba ny VIH/Sida. Matahotra ny valin'ny fitiliana raha sanatria mitodra tsimokaretina, ny fiaraha-monina, ny vokatr'izany eo amin'ny fiainana. Mila miray hina sy mandray andraikitra ny rehetra handresena ny fipariahan'ny VIH sy ny Sida sy handresy ny tahotra...
Zoma 27 nôvambra 2020 — Herinandro faha-34 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 29-33 — Miandrandrà ka asandrato ny lohanareo, fa efa akaiky ny fanavotana anareo.
Ny fikambanana "ecovilllage de madagascar" dia mivohy ny tetikasa fambolena lovain-jafy. Fikambanana niorina tamin'ny taona 2014, misehatra amin'ny fampiofanana marolafy, fiankaviana 18 ankehitriny no mandrafitra azy. Sotoavina iainan'ny fikambanana: Fanajana ny tontolo iainana (tany...), fanajana ny maha-olona, fahaizana mizara. Tanjona : Fahavitan-tena ara-tsakafo miitatra amin'ny ara-toekarena sy ny fahasalamana...
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco