• Miatrika ny lalao ihaonana amin'i Tchad, anatin'ny fifanintsanana Mondial 2026, ny Barea, nanomboka tamin'ny 7 ora hariva teo... • Nampiomana ny mpanjifa ny orinasa JIRAMA, fa ho mafy ny delestazy amin'izao main-tany izao. Taraiky loatra ny vahaolan'ny fanjakana, hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH, manoloana izany... • Nanomboka androany ny taom-pianarana 2025-2026 manerana ny nosy. Tsy misy fiovana firy tamin'ny teo aloha ireo tetiandro samihafa efa voafaritra, ka tsy hifarana raha tsy amin'ny volana jona amin'ny taona ho avy...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
♦ Tsy mbola ato ho ato aloha no hivaha ny olana eo amin'ny orinasa JIRAMA. Nanamafy ity orinasa ity fa mila mivonona ny mpanjifa satria ho sarotsarotra ny hiatrehana ny vanim-potoanan'ny main-tany... ♦ Tsy manan-tsafidy hafa-tsy ny handresy an'i Tchad ny Barean'i Madagasikara anio, hoy ny mpamakafaka baolina kitra Fenosoa Razafimamonjy... ♦ Andrasana izay ho fanapahan-kevitry ny governemanta manoloana ny datin'ny 11 desambra izay efa tsy nametrahan'ny HCC olana amin'ny hanatanterahana ny fifidianana Loholona... ♦ Ahiana tsy hisy intsony atsy ho atsy ireo mpanao gazety afaka hitatitra ny vaovao manoloana ny zava-misy any Gaza hoy ny RSF...
♦ Miverina an-tsekoly manomboka anio ireo mpianatra hiatrika ny taom-pianarana 2025-2026... ♦ Vonona hanome tanana ny fitondram-panjakàna amin'ny fitsaboana any ivelany ho an'ny ampahany amin'ireo tanora lasibatry ny aretina teny amin'ny sampanana Imerinkasinina-Ambohimalaza ny vovonana firaisankina... ♦ Tranga iray nanamarika ny omaly alahady ny fifandrifin'ny masoandro, volana ary ny tany. Afaka nahita izany isika teto Madagasikara... ♦ Notanterahin'ny Papa Léon-XIV, omaly, ny fanandratana ho amin'ny laharan'ny Olomasina an'i Carlo Acutis sy Pier Giorgio Frassati...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco