• Hiavaka ny fankalazan'ny mpitandro filaminana ny faha-65 taona niverenan'ny fahaleovantena sy nijoroan'ny foloalindahy Malagasy amin'ity taona ity...
  • Nanao diabe nilanja sora-baventy ary nihaona tamin'ny ben'ny tanàna eny Imerintsiatosika ireo mponina voakasiky ny tetikasa Tanamasoandro, omaly...
  • Miandry ny tatitra mahakasika ny fitsirihana ny bozaka eo amin'ny kianjan'ny Barea Mahamasina ny mety ho fankatoavan'ny CAF na tsia ity kianja ity...
  • Ho tontosaina anio talata any RYAD Arabie-Saoudite ny fihaonana eo amin'ny lehiben'ny diplômasia Amerikanina Marco Rubio sy Rosianina Sergei Lavrof, handinihina ny raharaha any Ukraine...
  • Anio talata no daty farany tokony hialan'ny tafika Israelianina any amin'ny faritra atsimon'i Liban...

18 febroary — Teraka tao Lourdes tamin'ny taona 1844 i Bernadette Soubirous. Avy amin'ny fianakaviana mahantra izy. Izy no azo heverina fa ohatra tsara raha ny fifandraisana miafina eo amin'ny ankizy sy Andriamanitra no resahana.

Ho an'i Masimbavy Terezin'i Jesoa Zazakely : " ho ahy ho izy ny vavaka dia fisitahan'ny FO, fijery tsotra atodika any an-danitra, hiaram-pahalalana sy hiakam-pitiavana eo anivon'ny hafaliana". Ny vavaka dia manokana ary miainga avy ao anaty, avy ao am-po asandratra amin'Andriamanitra. Azo lazaina hoe valim-pitia atolotra amin'Izy Tompo ny vavaka ary fanandratana ny fanahy... Katesizy momba ny faharetana mivavaka, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Louis Marc.

18 febroary 2025 — Talata, Herinandro Tsotra fahenina Mandavantaona — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 14-21)

[Miara-dàlana] Zoma 22 aogositra 2025

• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...