Nandray anjara tamin'ny fanatanterahana ny sitrapon'Andriamanitra amin'ny fanavotana ny olombelona i Md Jozefa. Nanaraka an-tsakany sy andavany izay nolazain'Andriamanitra azy izy tamin'ny fanohanana an'i Maria amin'ny fanabeazana an'i Jesoa.
 
											 
 
			Miaka-bokatra ny Jeneraly Rabemanantsoa Robert amin'izao volana mey izao, na dia niara-nisedra olana tamin'ny tantsaha rehetra noho ny tsy fisian'ny rano teny an-tanimbary aza izy. "Ketsa saraka" no nampiasaina, izay izy rahateo no nikaroka azy.
♦ Tany Antsirabe, mpiasan'ny haino aman-jery iray sy mpitandro ny filaminana telo no naratra. Nisy fahasimbana fananana iombonana sy fananan'olon-tsotra nandritra ny sakoroka nitranga tany Antsirabe alina, noho ny tsy fankasitrahan'ireo mpitokona tany an-toerana ny fampiatoana ny asa aman-draharaha any Vakinankaratra manomboka amin'ny 2 ora tolakandro, ho fifehezana ny fiparitahan'ny valan'aretina Covid-19...
Miara-manorina ny ho aviny sy ny maha olom-banona azy amin'ny ray aman-dreny ny zatovo ka ao an-tokantrano no tena hanefena izany. Ny andraikitry ny tanora manoloana ny maha zatovo azy dia ny fanajana ny ray aman-dreny, noho izy ireo fanomezana. Namana akaiky izy ireo ka hanokanana fotoana manokana hiarahana aminy, ary tsy andosirana mihitsy ny ray aman-dreny na dia mahasosotra ny zatovo aza ny ataony. Amin'izany dia ny zatovo mihitsy no mila miantso "Filankevi-pianakaviana" (Conseil de famille), ny teny sy ny fihetsika amin'izany kosa ezahana mba ho amim-panajana hatrany.
			Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
			I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
			Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco