♦ Hahazo oram-baratra anio ny faritra maro eto amin'ny nosy indrindra ny eto afovoan-tany. Oram-bratra hitohy hatramin'ny faran'ny herinandro... ♦ Hitarika voka-dratsy amin'ny toe-karena eto Madagasikara hoy ny filohan'ny CSI ny fandanian'ny parlemanta malagasy ny lalàna mampihena ny fahefan'ny tendrom-pitsaràna miady amin'ny kolikoly na ny PAC... ♦ Nanomboka nanendry izay ho mpiara-miasa aminy Andriamatoa Joe Biden filoha vaovao any Etazonia...
♦Baolina kitra, hihaona any côte d'Ivoire, anio, ny Barean'i Madagasikara sy ny Elefantan'i Côte d'Ivoire, Vonona handresy ny ivoriana any amin'y taniny ny mpilalao malagasy... ♦ Nangataka ny ministeran'ny toekarena sy ny fitantanam-bola hanampy ny teti-bola iasan'izy ireo ny antenimieram-pirenena... ♦ Nihaona voalohany nandritra ny 45 minitra omaly ny filoha Allassan Ouatara sy ny mpitarika ny mpanohitra Henri Konan Bédier...
Ilaina ny fahatokisatena sy fifanampiana eo amin' ny ankohonana. (11-11-2020)
Alakamisy 12 nôvambra 2020 — Herinandro faha-32 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 17, 20-25 — Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco