♦ Hanao tatitra amin'ny vahoakan'Antananarivo anio maraina ny solombavambahoaka TIM. Ifanolanana ny toerana hanaovana izany ankohatra ny ao Ambohijatovo... ♦ Nanamafy ny RMDM fa tsy mankasitraka ny fifamonoana eo amin'ny samy malagasy... ♦ Namory ireo mpandraharaha ary nanolotra soso-kevitra ho an'ny mpitondra Andriamatoa Rolland Ratsiraka... 

Sabotsy 20 febroary 2021 — Sabotsy manaraka ny lavenona — Ankehitriny, hoy ny Tompo, miverena amiko amin’ny fonareo rehetra, fa mamindra fo sy miantra Aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 5, 27-32

♦ Hitodika ao an-drenivohitra ny mason'ny mpanara-baovao rehetra rahampitso, amin'ny fikasan'ireo solombavambahoaka, hanao tatitra amin'ny vahoaka eny amin'ny kianjan'Ambohijatovo. Arahantsika eto ireo fanehoan-kevitra samihafa, manoloana izany... ♦ Olon-tokana akaiky ny mpitondra no mifehy ny asa fandraharahana eto Madagasikara, hoy ny solombavambahoaka Roland Ratsiraka...

Lesoka lehibe ho an'ny fivoaran'ny famokarana eny ambanivohitra ny tsy fahampian'ny teknisiana manoro lalana azy ireo momba ny haitaom-pamokarana. Antony nahatonga ny fikambanana Lanja Miakatra manofana ireo tantsaha any amin'ny faritra misy azy ireo... 

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...