Alahady 25 jolay 2021 — Alahady fahafito ambin'ny folo mandavantaona — Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy, amin’ny Anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra ary voninahitra anie any amin’ny Avo indrindra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 1-15

Manomboka anio alahady no handinihantsika ny toko fahenina amin’ny Evanjelin’i Masindahy Joany. Fahagagana mahakasika ny fampitomboana ny mofo izay nataon’i Jesoa no ambetin-dresatsika anio. Tian’i Jesoa ampahafantarina antsika ny fanirian’Andriamanitra ho eo akaikintsika. Te ho eo akaikin’olombelona Andriamanitra ary tsy mifidy tavan’olona hatonina Izy, eny fa na dia ireo heverintsika ho mpanota sy jentily, fa izany indrindra no antony nankanesan’i Jesoa teny an-dafin’ny farihin’i Galilea. Ireo mponina ireo mantsy, nosaharin’ilay Ratsy (famantaran’ny ratsy etoana ny fairhin’i Galilea). Iriny ho voavonjy avokoa ny olon-drehetra ka ny fisiany eo anivontsika no fitaovana mahomby amin’izany. Asaina manokana àry isika rehetra, manoloana ny fanatonan’Andriamanitra antsika mba hahay handray tsara am-pinoana, finoana, hafaliana ary fanetren-tena ihany koa.

Eo am-pihainoana an’ity fanoharana ity ihany koa, no ahalalantsika fa manana ny heriny no sady malala-tànana i Jesoa Kristy : Izy no Mofon’ny fiainana, hany afaka hahavoky ny vatantsika sy hahitantsika ny fandriampahalemana sy ny fihavanana. Tsara homarihina anefa fa tsy hoe nampitombo ny mofo izay natao ho sakafo ara-batana fotsiny i Jesoa, fa teo koa ny fampianarana ny Tenin’Andriamanitra, ilay Teny mahavelona mandrakizay sy Teny mamelombelona.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...