♦ Efa nomena fahafahana vonjimaika avokoa ireo olona notanana am-ponja tamin'ny raharaha nahamay ny trano fiasan'ny ONE teny Antaninarenina, hoy ny Minisitry ny Tontolo Iainana... Mampitodika ny mason'izao tontolo izao, hanome tombony ny fiatrehana ny ho avin'ny ankizy sy ny fanarenana ny seha-panabeazana ny UNICEF, raha nanao tatitry ny fiantraikan'ny Covid-19 amin'ny seha-panabeazana...
Tombony lehibe ho an'ny ankohonana ny fanànana ny vehivavy, izay fo mitempo hampiaina fitiavana azy. Saina mihevitra ny ho avy "ho azy sy ny ankohonany". Atodiny amin'ny fitsinjovana ny tontolo iainana ny hetsika rehetra ataony. Fampiasàna fatana mitsitsy tsy haringana ny ala, fanodinana ireo fako mba hampihenàna ny vola mivoaka. Zariny sahady ihany koa ny zanany mba hanaja ny tontolo iainana...
♦ Anio no hahafantarana ny valin-tenin'ny eo anivon'ny OMC eto amin'ny Faritra Analamanga, ny amin'ny fanomezan-dalana ireo solombavambahoaka TIM hanao tatitra amin'ny vahoaka, rahampitso sabotsy... ♦ Mbola hihamafy ny rotsak'orana anio amin'ny ankapobeny manerana ny nosy, araka ny nambaran'ny teo anivon'ny Météo. Ho mafy kokoa anefa izany ho an'ny Faritra Melaky sy Boeny...
Zoma 5 marsa 2021 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Tokana ; ka hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 21, 33-43. 45-46
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco