Tamin’izany andro izany, niondrana tamin’ny sambo kely i Jesoa, dia nita ka tonga tao an-tanànany. Dia indro nisy lehilahy anankiray malemy nandry tamin’ny fandriany nentin’ny olona teo aminy. Nony nahita ny finoan’ireo i Jesoa, dia hoy Izy tamin’ilay malemy: "Matokia anaka, fa voavela ny helokao." Tamin’izay ny sasany tamin’ny mpanora-dalàna nanao anakampo hoe: "Miteny ratsy an’Andriamanitra ilay io." Fa i Jesoa nahalala ny eritreriny ka nanao hoe: "Nahoana ianareo no mieritreri-dratsy ao am-ponareo? Inona no moramora kokoa, ny manao hoe: ‘Voavela ny helokao’, sa ny manao hoe: ‘Mitsangàna, ka mandehana?’ Ary mba ho fantatrareo fa ny Zanak’Olona manam-pahefana etý an-tany hamela heloka", dia hoy Izy tamin’ilay malemy: "Mitsangàna, ento ny fandrianao, ary modia any an-tranonao." Dia nitsangana izy ka nody tany an-tranony. Nony nahita izany ny vahoaka, dia natahotra sy nankalaza an’Andriamanitra noho Izy nanome ny olona fahefana toy izany.
♦ Mizara teboka dimy ny tatitra natoan'ny Praiministra Ntsay Christian nanoloana ny loholona : Ny fiatrehana ny Covid-19, ny momba ny fitantanana, ny filaminana sy ny fandriampahalemana, ny toekarena sy ny foto-drafitrasa-pamokarana ary ny fahadimy ny momba ny sôsialy... ♦ 11 025, 8 miliara Ariary ny teti-bolam-panjakàna nasiam-panitsiana ho an'ity taona 2021 ity. Taorian'ny fandinihana lalina izany, niaraka tamin'ny ministry ny toe-karena sy ny vola, dia nolanian'ireo solom-bavambahoaka tetsy amin'ny CCI Ivato...
Anjaran'ny tsirairay ny misaintsaina, indrindra ireo zatovo sy tanora efa am-perin'asa na mbola mitady asa, na mbola mianatra sy miomana hiasa mba tsy ho sodokan'ny nofinofy fotsiny ihany, na ho kivy raha tojo tsy fahombiazana. Tsy afaka hitondra vokatra ny fihaonana manokana amin'i Jesoa raha tsy ao anatin'ny ankohonana feno fiombonana. Katesizy momba ny asa fivelomana, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
Tena maika dia maika ny fanasàn'i Jesoa antsika, hiala amin'ny fombatsika mihiboka, isika ilay miolonolona sy miavonavona. Maro ny olona mijaly tsy manana na inona na inona. katesizy momba ny asa fivelomana, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco